Politique

Rakotomalala Henry na Riribe “Mahavariana ilay hoe tsy misy krizy”


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Tsy misy krizy hono eto hoy ry zareo mpitondra antsika, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe. Samy manana ny fomba hamakiany ny zava-misy eto amin’ny fireneny ny olona tsirairay fa somary mahavariana ihany ny

 tenin'ny filoham-pirenena hoe "tsy misy krizy eto", hoy izy. Raha tsy misy krizy politika, sosialy, toekarena eto, maninona no tsy marisika hampiasa ny volany eto hanangana ozinina ireo mpanam-bola vahiny sy teratany? Maninona no lasa farany eran-tany ny firenena malagasy ankehitriny amin’ny lafiny rehetra? Maninona no mitaraina avokoa ny malagasy na an-tanan-dehibe na ambanivohitra? Maninona no mitombo andro aman’alina ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy? Maninona no misy vondron'olona sy antoko maro tsy tambo isaina mitaky fikaonan-doham-pirenena? Sa ve krizy ara-toetsaina no misy eto, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT