Tezitra ka nahitsy fiteny Atoa Rakotomalala Henri (Riri Be) tamin’ny vaovao navoakan’ny gazety mpivoaka isan’andro teto an-drenivohitra fa ao ambadiky ny hetsika ataon’izy ireo i Roland Ratsiraka.
Nilaza mazava teo anoloan’ireo mpiara-mitolona aminy anatin’ny Hetsika : “Tsy misy miala aketo niany”, sady namoaka ilay gazety nahatezitra azy i Riri Be, fa “tsy misy idiran’Atoa Roland Ratsiraka mihitsy ny hetsika ataonay. Efa hatramin’ny taona 2002 izahay no tsy nifanaraka, satria tsy nitovy mihitsy ny hevitray amin’ny resaka politika sy ny resaka fiarovana ny tombontsoam-bahoaka. Fandotoana ahy sy ny tolona ho fiarovana ny vahoaka fotsiny ireny, ka tsy atao mahagaga”.
Nohitrikitrihin’i Riri Be, fa tsy fanonganam-panjakana velively no anton’ny hetsika ataon’izy ireo izao fa fiarovana ny tombontsoan’ny manana olana samy hafa. “Hetsika milamina no nataonay hatramin’izay ary vavolombelona amin’izany ny mpitandro ny filaminana. Tsy misy korontana eto, tsy mbola nisy na zavatr’olona na iray aza simba sy potika teto Toamasina. Koa aza haratsiana ny mpitolona efa milamina, fa raha hikorontana eto izahay, tsy misy mpitandro ny filaminana hahasakana anay amin’izany”, hoy izy. Nandritra ny resaka nifanaovana tamin’i Riri Be anefa, dia nivoaka ho azy ihany ny olona anisan’ny manohana ny hetsika ataon’izy ireo, dia Atoa Ramaroson Alain sy Rtoa Ramaroson Olga minisitry ny mponina vadiny, izay fantatra araka ny teny nolazain’i Riri Be ihany, fa ho avy ao Toamasina hanampy sy hanohana ny hetsika ataon’izy ireo ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.