Politique

Rakotomalala Aimèe Martial “Hevitra sy ny safidy no miady fa Malagasy iray ihany”


  • Alarobia 29 Mey 2019

“Mitony sy milamina ny olona ka hirariana mba hilamina hatramin`ny farany satria Malagasy daholo isika. Ny hevitra sy ny safidy no miady fa Malagasy iray ihany”, hoy ny kandidà Rakotomalala Martial Aimée ao amin`ny boriborintany I raha nanontaniana ny fizotry ny fifidianana.

 

Niezaka ny CENI nanaporofo fa mangarahara ny fifidianana satria nalainy ny tompon’andraikitra avy amin`ity kandidà ity mba hisolotena azy amin`ny fanisam-bato. Miantso ny HCC mba hijoro sy hanana ny maha izy azy ka mba hanome maodely amin`ny voka-piffidianana tena maodely sy mangarahara eken`ny rehetra. Mahakasika ireo tsy fanarahan-dalàna indray dia efa nandray an-tsoratra izay zavatra rehetra tsy mitranga nandritra ny androm-pifidianana ny kandidà. Misy lalàna mikasika ny fifidianana solombavambahoaka ka raha misy mifanohitra amin`izany dia hitanay tsy rariny raha tompony mangataka atiny satria ny tadiavina amin`izao dia  zavatra madio, mendrika hitondrana ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT