Politique

Rakotoarisoa Falihery Aleo samy tanora no hifaninana amin’ny fifidianana


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2012

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, indrindra eo amin’ny resaka fiverenan’ny filoha teo aloha eto Madagasikara, dia nanambara ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita voatendry avy amin’iny faritr’Ambatolampy Vakinankaratra iny, ny CT Rakotoarisoa Falihery, fa efa notakian’ny vahoaka hatramin’ny taona 2009 ny fanovana eto amin’ny firenena.

 Tokony hijanona ho raiamandreny fakan-kevitra, araka izany, ireo zokinjokiny nitondra taloha, anisan’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary izy rahateo dia anisan’ny miandry ny famotsoran-keloka noho ny raharaham-pitsarana mahavoarohirohy azy. Azo eritreretina kosa, hoy ity CT ity, raha toa ka iriany ny hanosehany ny zanany lahy (Tojo Ravalomanana) izay efa hita nisehoseho tamin’ny gazety sy haino aman-jery maro samihafa ihany tao ho ao, ho anisan’ny kandidà hofidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny Repoblika faha-4. Aleo mba samy tanora no hifaninana, hoy izy, fa efa tompon’ny ankehitriny izy ireo amin’izao fotoana izao fa tsy tompon’ny ho avy intsony.

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT