Politique

Rakotoamboa Jean Louis “Mila apetraka aloha ny fitsipi-dalao demokratika”


  • Alarobia 29 Jona 2022

Eo ihany ny antoko TEZA fa nandinika, mifampiresaka amin’ny ankolafin-kery samy hafa, mivoy ny antsoina hoe : «réfondation de la république»,

mila hiverenana dinihina ny fitsipi-dalao ara-demokratika, anisany ny lalàmpanorenana, lalàmpifidianana, lalàna momba ny famatsiam-bola ny antoko, lalàna mifehy ny serasera,… Isan’ny mila jerena, ohatra, ny lalàna 60-082 izay mamaritra fa raha hidina an-dalambe hitrongy ny fahefana mpanatanteraka dia hoe : omeo alalana izahay hitrongy anareo eny an-dalam-be, koa raha tsy mpitondra adala izy”, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa omaly, raha nivahiny tao amin’ny Onjam-peo Top Radio FM 102.8. Isan’ireo antoko Mandrafitra ny Rodoben’ny Mpanohitra moa ny TEZA. Ny zava-misy ankehitriny mantsy, efa am-pelantanan’ny fahefana mpanatanteraka ny mpanao fitsirihana sy mpanara-maso ara-panjakana na « inspection générale de l’Etat” ka te hanao izy dia manao, tsy te hanao. Ny ben'ny tanàna rahonana hanaovana « inspection », dia lasa any amin’ny antokony. Amin’ny fifidianana maka volam-panjakana. Tamin’ny fifidianana 2013, nahatratra 43 tapitrisa dolara no laniny tamin-dRajaonarimampianina ka aiza no hahita an’izany raha tsy vola tsy mazava? hoy izy. Azy ny « inspection générale », asainy miandry fifidianana, izy maka volam-panjakana dia lany foana. Ny rafitra mihitsy no tsy mety, ary tsy vao tamin’izao fitondrana izao. Betsaka ny nanao afera toy ny hoe: izy sy ny vadiny nalaza ratsy tamin’ny raharaha écran plat, kanefa mandalo ao amin’ny afo fandiovana antsoina hoe: antenimieram-pirenena ny nanao afera maloto dia madio. Mila ovaina ny rafitra, ny kitapom-bolam-panjakana eo am-pelantanany, ny “inspection générale de l’Etat” eo an-tànan’ny mpanatanteraka, hoy hatrany Atoa Jean Louis Rakotoamboa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT