Politique

Rakotoamboa Jean Louis Mandringa ny demokrasia sy ny fitantanana ny tetezamita


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

“Araka izay nahamety ireo mpomba ny fitondrana no natao momba ny resaka fampihavanana”, hoy Rakotoamboa Jean Louis manoloana ny fitsanganan’ny filankevitra misahana ny fampihavanana. Iaraha-mahafantatra, hoy ity filoha nasionalin’ny antoko Teza ity fa ny Finoana sy ny Raiamandreny Mijoro dia mpomba an’i Andry Rajoelina.

 Ny zava-misy, hoy izy dia nanahirana ny nandaniana ny lalàna momba ny fampihavanana. Tsy teo mantsy ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny fotoana nandaniana izany, ankoatra izay koa anefa dia tsangan-tanana, toy ireny any amin’ny parlemanta voafidy ireny no hifidianana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita kanefa ny mpomba an’i Andry Rajoelina no maro an’isa. Mila jerena ny marimaritra iraisana, hoy Rakotoamboa Jean Louis. Mandringa ny demokrasia sy ny fitantanana ny tetezamita, hoy ihany izy. Raha izany foana no ho tohizana, hoy ny Teza dia tsy hisy mihitsy fitoniana hipetraka na ara-politika, na ara-tsosialy na koa ara-toekarena fa sanatria dia hiafara amin’ny ady an-trano.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT