Politique

Rajoelina tao Antsirabe Noterena hanemitra ny arabe ny mpianatra


  • Alarobia 17 Oktobra 2012

Tsy afa-manoatra fa madinika e ! Izay no azo ilazana ireo mpianatry ny CEG sy ny Lycée tao Antsirabe ny marainan’ny talata 16 Oktobra nandritra ny fandraisana ny filohan’ny tetezamita tao Antsirabe fa tsy maintsy nilahatra nanamorona ny lalam-pirenena faha-7 iny nanomboka tany Vatofotsy ka hetreny anoloan’ny vavahadin’ny ACMIL hotsidihin-dRajoelina.

 Ny nahalasa ny saina dia efa fantatra mialoha fa amin’ny 11 ora ny lanonana ho famindram-pahefana izay hotontosaina tao amin’ny Akademia miaramila kanefa dia nanomboka tamin’ny 8 ora ny sasany no nasaina tonga ireo mpianatra ary voalaza fa “présence obligatoire”, ny fitsenana azy. Ny nahalasa saina sy nahatezitra ireo sendra ny gazety dia ny fahadisoam-panantenana tamin’ireo ankizy satria tsy olona nandeha an-tongotra akory ity nasaina nohofahofan’izy ireo fa fiara nirifatra toy ny tadio nialohavana fanairana lavareny, amin’izay indray efa tamin’ny 11 ora sy sasany vao tonga ity olona nasaina nandrasany ity.

Tsy afa-nanoatra moa, hoy ireo ray aman-dreny satria didin’ny lehiben-tsekoly izany ka dia niaretana ihany aloha fa ao ny kilonga no mianatra e ! Nisy ihany moa ny andian'olona tonga niaraka tamin'ireo mpianatra teny amin'ny manodidina an'i Vatofotsy iny mba nitazana saingy fanehoana tsy fankasitrahana angamba no dikany fa dia ny T-shirt misy ny sarin'ny filoha Marc Ravalomanana no nanaovan'izy ireo tamin'izany. Tranga efa nanenjehana ny teo aloha ny toy izao ka nolazaina fa tsy nety tamin’izany fotoana izany kanefa amin’izao fotoana toa lasa mety indray. Sa natahotra ny tsy hisy olona hitsena sy hikopakopaka no tena marina e !

 
Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT