Politique

Rajoelina sy Ravalomanana Hihaona atsy Afrika Atsimo ?


  • Sabotsy 17 Novambra 2012

Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha. Raha nampiaka-peo ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fahatsapany fa be loatra ny tsy rariny miseho na eo amin’ny fitantanana ny tetezamita na amin’ny fifampitondran’ny samy mpanao politika, indrindra ny olana sosialy dia re izao fa mety hisy fihaonana na fampihaonana mivantana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

 Tombantombana no re fa mety ho ao Afrika Atsimo no hanatanterahana izany, ary re fa handeha hihazo mangingina an’i Afrika Atsimo ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, mety ho amin’ity faran’ny herinandro ity ka ho amin’ny talata any vao mety hiverina eto Antananarivo. Tsy hitsidika fianakaviana na hanao fizahantany no anton-dia, fa raha araka ny tsiliantsofina re dia mety hisy indray ny fihaonana eo aminy sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, taorian’ny tsy nampahomby ny dinika in-droa miantaona tatsy Seychelles. Re mantsy fa miasa mafy ny amin’ny hahafahana mampihaona azy mianaka ireto ny Troikan’ny SADC, izay i Tanzania no mitarika azy amin’izao fotoana. Mahafantatra io tetikasa io i Frantsa, ary araka ny tsiliantsofina re dia manohana ny hifampidinihan’ny roa tonta. Manomboka miha mazava ihany izany, izao fa dinika savaranon’ando mialohan’ny fampifanatrehana manaraka, no nataon’i Joaquim Chissano raha nihaona tamin’i Andry Rajoelina tany Maorisy sy niresaka tamin’i Marc Ravalomanana tany Afrika Atsimo izy.

Matoa mankany Afrika Atsimo i Andry Rajoelina dia manaiky ny hihaona amin’i Marc Ravalomanana izany, ary manaiky ihany koa fa mbola tsy azo ihodivirana amin’ny famahana ny krizy ity filoha teo aloha ity. Mbola mitombina foana izany hatreto ny nambara teto, hatramin’izay fa tsy mivaha izany ny krizy raha tsy mifanaraka aloha Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, ary ho an’ny sehatra iraisam-pirenena, dia tsy misy lanjany ny tondrozotra raha toa ka tsy mifanaraka ireo mpifanandrina fototra amin’ny krizy. Izay no mbola somary mampitarazoka ny fahazoantsika ny famatsiam-bola ho an’ny fifidianana, na dia efa fantatra aza ny daty. Azo antoka fa hisosa ny fampiharana io tondrozotra ireo rehefa mifanaiky sy mifanaraka ireto filoha mirahalahy ireto.

Tsy nisy nahafantatra fa hoe hihaona amin’i Joaquim Chissano tany Maorisy ny filohan’ny tetezamita, eny fa na dia ireo mpiara-miasa akaiky aminy aza ary amin’ity indray mitoraka ity dia mikasa ny hanainga “par silence” sy tsy niteny tamin’iza n’iza ny toerana halehany sy izay mety ho anton-diany ihany koa i Andry Rajoelina. Izy, izay mety efa mahatsapa fa tsy mahatafavoaka samirery ny baolina intsony, tampina ny daomy, ka tsy maintsy manaiky ihany ny hifanaraka amin’Atoa Ravalomanana. Manaraka izany, inoana fa mahafantatra tsara ny hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny filohan’ny tetezamita ary tsy ho sahy ny hitsivalana amin’izany. Mahagaga kely ihany fa ny alarobia lasa teo dia nilaza i Andry Rajoelina fa tsy tokony hifantoka amin’ny olona iray ny famahana ny krizy, izao anefa izy dia manaiky handeha any Afrika Atsimo, ka hihaona amin’io olona io ihany. Heverina fa mety maromaro ihany koa ireo mpanao politika na mpanohana an’i Andry Rajoelina ho diso fanantenana indray ary mety ho tezitra mihitsy, satria raha izao no mitohy dia mety ho ny filohan’ny tetezamita, izy tenany mihitsy no hilaza amin’ny fomba ofisialy ny daty hiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT