Tato anatin’ny 13 taona, dia mbola mijanona eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina sy ny mpomba azy avy aloha amin’ny ankampobeny ny raharaha politika eto Madagasikara.
Niainga tamin’ny fifanandrinan’ny TGV sy ny TIM tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo ny taona 2007. Nitohy tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana ny taona 2009. Ny fifidianana Filoha tamin’ny 2013, izay ny olona notohanan’ny andaniny sy ny ankilany no nanao ny fihodinana faharoa. Ny taona 2018 dia mbola nifampitana teo ambony ringan’ny fifidianana filoham-pirenena. Ireo no mbola manana olona sy “influence” ary manana rohim-pifandraisana betsaka amin’ny any ivelany. Na inona na inona resahina, dia tsy maintsy misy tànan'ny vazaha foana io, ary ny jeopolitika rahateo efa anatin’ny fanatontoloana na ny “mondialisation”, ka resa¬ka be izany hoe manana ny fiandrianana izany. Manana ny kajikajiny ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny olona apetraka eto, izay tsy voatery hahasoa ny firenentsika. Sarotra amintsika ny hiady amin’ireo, ka ny fahaizana mikendry ny tombotsoa amin’ny fiarahana aminy no mety kokoa. Ny fifidianana any Etazonia aza jabahan'ny Rosiana ka tsy hoe manamaivana antsika fa tahaka ny ahoana tokoa moa isika, raha ampitahaina amin’izany. Ny Amerikanina,ohatra, mahavita mamoaka sazy ho ana mpandraharaha Rosiana, Iraniana,… Ny Frantsay ohatry ny hoe tompon'i Liban sy ireo firenena Afrikanina nozanahany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.