Politique

Rajoelina sy Ratsiraka Tsy mifankafoy noho ny amin-dRavalo…


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Azo lazaina ho rano sy vary ka tsy mifankafoy ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka sy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina noho ny fananana fahavalo politika iombonana, dia i Marc Ravalomanana.

 

Nanomboka ny 2008 ka hatramin'izao io, ary hita fa samy ho sarotra ny hampihavanana azy mianaka amin-dRavalo. Ny fanakiana mafy ny fitondrana Ravalomanana nataon’ny Amiraly Ratsiraka izay sesin-tany tany ivelany no nahatonga ny fanakatonana ny orinasa VIva tamin’ny 2008. Efa notsorin’ny amiraly, fa nangataka taminy ny Frantsay mba hanampiana an’i Andry Rajoelina mba hanonganana an-dRavalomanana na hoe: “La France m'a démandé d'aider Andry Rajoelina pour évincer Mr Ravalomanana”. Efa nambarany fa fa olony ireny maty tamin’ny 07 febroary ireny. Efa nilaza fa nanampy an-dRajoelina tany amin’ny fivoriana notarihan’ny SADC Ratsiraka fa tsy nanaiky mihitsy hoe mody aty Madagasikara I Marc Ravalomanana. Izahay 9 taona sesintany, hoy izy, ka nahoana ianao Atoa Ravalomanana no hody sahady. Nirarakopana ny NOTAM tsy namelana an’i Marc Ravalomanana hody nanomboka nandritra ny tetezamita, ary taty amin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina vao tafiditra teto, ka ny 13 oktobra 2014 feno enin-taona afaka andro vitsy no nilaza am-pahibemaso fa tonga i Marc Ravalomanana, rehefa nitsoaka ny Martsa 2009.

TSY MBOLA LEVONA NY LOLOM-PO

 Ireny niaraha-naheno ireny ny fanehoan-kevitry ny Amiraly mbola niendrika fanenjehana an’i Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo. Mbola tsy levona ny lonilony, ary toa mankasitraka ny fahirano atao amin-dRavalomanana ny Amiraly. Toa tsy afa-po tamin’ny fandrobana sy famotehana ary fandorana ny 2009. Henjana alahelo sy valifaty, ka toa mbola ao an-damosin’ny Filoha Rajoelina hatrany ny Filoha Ratsiraka mba hanohizana ny famotehana ny Filoha Ravalomanana. Tena mahasoa ny firenena sy tsy miendrika fijahabana na fampijabahana ara-politika ve anefa io fihetsiky ny fanjakana io ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT