Politique

Rajoelina sy Rakotovao « Nifampirary soa sy nifampitsodrano »


  • Zoma 08 Janoary 2021

Tonga nitondra ny teny firarian-tsoa sy nanolotra fanomezana ho an'ny Filoham-

 

 

 

pirenena sy Ramatoa vadiny ny solontenan'ny Antenimierandolohona izay notarihin'ny filohany, Rivo Rakotovao, omaly 7 janoary 2021, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Mifarana ny fe-potoana iasainay, miandry am-pitoniana izay, ary manatanteraka ny adidy hatramin’ny andro farany. Tsy misy eritreritra na iray segaondra aza hanohintohina ny fampandehan-draharaha. Fanajana ny maha Repoblika sy fanajana ny maha Filohan’ny Repoblika anao no hanoloranay an’izany. Olon’ny fanetren-tena, ary manaja lalàna isika. Tsy misy ny tonga lafatra, fa olombelona, olona mandia tany, mety misy ny olona tsy nitoviana hevitra,… Mety ao anatin’ny tsy fitovizan-kevitra, fa mitovy ny tanjona amin’ny hampandroso ity firenena », hoy i Rivo Rakotovao. " Tsy misy mpifahavalo isika fa Malagasy Ray Malagasy Reny. Tsy ho zarazarain'ny hevitra tsy mitovy isika fa hampiraisin'ny fitiavan-tanindrazana" hoy ny filoha Andry Rajoelina, raha nitondra ny teny fankasitrahana ireo solontena avy ao amin'ny Antenimierandoholona ireo. Mba hitempo fo iray ny mpisehatra politika ho fampandrosoana ny firenena, hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Nankasitraka ihany koa ireto loholona ireto ny tenany, izay nahavita sy nanatontosa ireo andraikitra nankinina tamin'izy ireo nandritra izay fe-potoana niasan'izy ireo ho an'ny firenena izay. Ny 19 janoary no hivory manokana ny loholona vaovao, ary ny 25 janoary no hanaovana ny fifamindram-pahefana ara-demokratika eo amin’ny Birao maharitra teo aloha sy ny vaovao. Zava-dehibe sy tokony hotohizana ny endri-pifandraisana tahaka io niseho io omaly na misy aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika.

 

Nambaran’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana omaly ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana loholona ka nohamafisina tamin’izany ny fahalanian’ireo loholona 12 mianadahy efa nambaran’ny CENI ihany.Avy amin’ny IRMAR na MAPAR ny 10 ary MMM kosa ny 02.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT