Miandry ny voka-pifidianana ofisialy isika, saingy efa nilaza nialoha ny fotoana tany Frantsa ny filoha am-perinasa fa mandresy sy mahazo toerana 85 hatramin’ny 90 ny kandidany natolotry ny vovonana IRD.
Marihina fa ny antoko TGV no nirotsahan-dRajoelina tamin’ny fifidianana filoha, ary lojika kokoa raha nisy lisitra TGV tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, mba nahafahana tena nanamarina ny tanjaka politikan-dRajoelina sy nahafahana nitsara ny maha marin-toerana ny fandreseny tamin’ny fifidianana filoha. Nahoana no tsy nisy sahy nandeha irery ny TGV sy ireo antoko politika ara-dalàna niaraka ao anatin’ny IRD kanefa ny antoko politika dia miomana haka fahefana amin’ny fomba demokratika no antom-pisiany ? Midika io fa toa antoko malemy sy kanosa tsy afa-mandeha irery ihany ireo mitambatra mialokaloka ao anaty fitondrana. Tena afaka ny hiaro ny fahefam-panjakana sa hazo boboka hiketrika tombontsoa fotsiny ? Tena tanjaka sa fanararaotana ny fahefam-panjakana ny an’ny vovonana manohana kandida depioten’ny filoha ? Ny anarana vovonana aza, dia saika miova hatrany niainga tamin’ny TGV, MAPAR, IRMAR, IRD …
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.