Politique

Rajoelina sy ny IEM Tsy niainga akory dia vaky ny sambo


  • Zoma 10 Mey 2019

Mbola tsy niainga akory ny IEM, dia vaky sahady ny sambon’ny mpitondra ankehitriny. Toa mifamingana sy samy maka ho azy, miaro ny sezany sy miezaka maka ny fon’ny filoha, tsy dia miray hina,…

 

Zavatra efa nampoizina ihany fa efa nanaiky ny Malagasy, ka tsy maintsy zakaina aloha. Ireny  niteraka adihevitra lehibe ireny ny fanambarana navoakan’i Mahery Lanto Manandafy izay isan’ny nanohana fatratra an-dRajoelina, fa mpisoloky Atoa Holijaona Rabaonarijaona nalaza tamin’ny raharaha Flamco nakana volam-panjakana amina miliara dolara tany amin’ny taona 1994. Izy no voatonona tao anatin’ilay ampamoaka fa nivarotra ny IEM tamin-dRajoelina, ary io tetikasa io aza toa vao mainka voahivahiva sy miteraka fahafaham-baraka goavana ho an-dRajoelina sy ny ekipany noho iny raharaha iny. Ny olona samy nanohana ny filoha no nifanebaka sy mifamoaka tsiambaratelo, izay sokajiana ho tsiambaratelom-panjakana mihitsy. Manaiky fa marina izany ny zava-boalaza matoa tsy niteny? Io ihany koa fa niala ny Filohan’ny arofenitra ny fiadidiana ny Repoblika noho ny antony ara-pahasalamana raha ny fanazavana. Na izany aza dia tsikaritra fa tena misy tsy milamina ao anaty fanjakana ao, fa ezahina hafenina saingy vaky am-batolampy ihany. Ny dosien’ny minisitra teo aloha, izay mbola mialokaloka ao anaty fanjakana ao noho ny fanodinkodinana fananam-panjakana dia fiara tsy mataho-dàlana 9 isa izao, dia mety ho vaky bantsilana alohan’ny fialan’ny tale jeneralin’ny Bianco ankehitriny, izay hanaratsy endrika hatrany ny fitondrana satria tena misy jiolahy mihaja tokoa any an-dapa any, raha ity no dinihina. Tsy tafapetraka ny fahefam-panjakana eto, raha oharina amin’ny tany aloha hany ka toa fanjakana malemy na ara-politika na ara-teknika na ara-stratejika no eto. Tsy toy ny tamin’ny andron’ny Amiraly Ratsiraka na i Marc Ravalomanana, afaka tena nandrindra sy nandamina ny firenena. Nanomboka ny taona 2009 no nivaona tanteraka ny fitondrana ny firenena, efa fantatra ihany hoe iza no nanongam-panjakana tamin’izany. Tonga indray ny IEM; tsara rafitra an-tsoratra saingy mbola baraingo goavambe ny fanatanterahana azy

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT