Politique

Rajoelina sy ny fitalahoana famatsiam-bola Hamafiso aloha ny ady amin’ny kolikoly, hoy ny MCC


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Mitohy ny akon’ny dian’ny Filoham-pirenena sy ny delegasionina notarihiny tany Etazonia. Nisy ny fihaona’ny Filoha Tale Jeneralin’ny MCC (Millennium Challenge Corporation)

Rtoa Alice Patterson Albright tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 21 aprily tany Washington DC. Sampan-draharahan'ny Governemanta amerikana izay manohana ireo firenena an-dalam-pandrosoana amin'ny ady amin'ny fahantrana amin'ny alalan'ny fanomezana tohana ara-bola mba hanafaingana ny fitomboana ara toekarena ny MCC. Namporisika ny Fitondram-panjakana Malagasy hanohy ny ambara fa ezaka efa ataony ho an'ny fampandrosoana, Rtoa Alice Patterson Albright, ary niarahaba ny Filoham-pirenena amin'ny fandraisany anjara manokana amin'ny ady amin'ny kolikoly. Nanamafy am-bava kosa I Andry Rakoelina fa anisan'ireo laharam-pahamehana ilofosany sy ny Fitondram-panjakana izay tarihiny io ady amin’ny kolikoly io. Mameno ny antsasa-manilan'ireo fepetra takian'ity sampan-draharaha amerikana ity i Madagasikara ankehitriny, ary tsara toerana noho izany amin'ny hidirany amin'ny lisitr'ireo Firenena tsara toerana amin'ny fahazoana ny fanohanana avy amin'ny MCC, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fanjakana. Raha ny resaka ambony latabatra aloha, dia tena miady amin’ny kolikoly ny Fanjakana Rajoelina, fa raha ny zava-misy eo amin’ny fitantanana ny Fanjakana sy ny raharaham-panjakana kosa, dia lavitry ny kitay izany Fanjakana tsara tantana sy mangarahara “bonne gouvernance” izany. Ny volan’ny covid-19 nahatratra 1818 miliara Ar betsaka ny fitantanana tsy nazava, ny volan’ny beantitra ao amin’ny CNaPS ahiana ho natao tantely afa-drakotra, ny resaka tsenambaro-panjakana betsaka ny afera tsy milamina,… Ny mpanao ampamoaka sy mampaneno lakolosy eo anatrehan’ny ahiahiana kolikoly avo lenta indray no voahenjika raha tsy hilaza afatsy ilay mpiasa nisahana ny tsenambaro-panjakana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana Atoa Ravo Nambinina Ramasomanana. Izy indray no notoriana rehefa namoaka ampahimeso sy ny niantso ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny Firaisamonim-pirenena fa misy afera be amina miliara miliara momba ny fitantanam-bola, ireo mpiasan’ny CNaPS notoriana tamin’ny fivoahan’ny dosie goavana saingy noahafahan’ny fitsarana moa, Rtoa Clémence Raharinirina nahasahy nitsikera ny fitantanana ara-bolan’ny Kaominina Antananarivo tahaka ny raharaha SMGD (Société Municipale de Géstion Digitale),… Ny raharaha ahiahiana kolikoly avo lenta mahasaringotra ireo olona ambony tahaka ny minisitra na Praiminisitra eo amin’ny Antenimieram-pirenena dia efa tapaka ny làlan’ny makany amin’ny fanenjehana satria toa hodiana adala. Mahazo kiana ara-diplaomatika hatrany isika eo amin’ny sehatry iraisam-pirenena mba hanamafy ny ady amin’ny kolikoly, izay fepetra hahazoana tohana sy fanampiana. Lojika raha tsy misy ny tena volabe mivaingana, fa mitsitaitaika, tahaka ilay 400 tapitrisa dolara izay hatramin’ny 2028, saingy tsy mba tao anatin’ny seraseran’ny mpitondra.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT