Politique

Rajoelina sy ny ekipany Voaporofo izao fa nampiesona tamin'ny propagandy


  • Zoma 12 Novambra 2021

Mamatotra ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany ny zava-misy rehetra ara-pitantana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ankehitriny.

Voaporofo tanteraka, fa nampiesona tamin’ny propagandy, ary fatoran’ny zavatra ataony ny Fanjakana. Ny mainty aminy anio, mety hivadika ho fotsy rahampitso, ary ny fotsy anio mety hivadika ho mainty. Tsy nivonona hitondra Firenena fa niomana handrombaka fahefana, ka izay fomba rehetra hahafahana manao izany, dia hatao avokoa hamonoana ny feon’ny fieritreretana sy hamitahana ny vahoaka. Nolazaina fa ny hahatongavana eo amin’ny fahefana no ela, dia hivaha ny olan’I Madagasikara. Nireharehana sy nakana ny vaton’ny mpifidy ny hoe: efa eo am-pelantanana ny vahaolana, ary tsy mila famatsiam-bola sy trosa avy any ivelany mampahantra firenena, ary tsy handroso I Madagasikara na amin’ny 2060 aza raha mbola hiankin-doha amin’izany. Iza no Filoha sy fitondrana nilaza fa hampindram-bola an’I Kaomoro aza hataony kanefa toa lasa mpampidi-trosa indrindra tao anatin’ny 60 taona ? Io fiantsoana ny "Rothschild & Co" io ho “conseiller financier” an’I Madagasikara dia mandiso sy manaporofo fa fitaka sy lainga ny ankamaroan’ny zavatra nolazaina tamin’ny propagandy. Stratejika be izany resaka volam-panjakana izany ary mariky ny fiandrianam-pirenena. Lasa mitady mpanalalana sy mpanelanelana mba hisintonana mpampitrosa, mpamatsy vola, mpampiasa vola,… Mitady izay fomba mba hanatsaratsarana ny endrika eo imason’izao tontolo izao toy ny "Ease of doing Business” hiantsoana ny olona ho tonga hampiasa vola sy ny OECD (Organisation for Economic Co-operation and Development),… Matoa mikofokofoka mampitombo ny fomba hahazoana fitokisana, hahazoana trosa, hahazoana vola,… dia tsy nahomby izany ny paikady napetraka niainga 2018. Vola hampandehanan-draharaha sy tetikasa tsy dia lasa lavitra no mety misy ao fa raha vola hananganana sahirana firenena indrindra fa ny resaka ara-toekarena, ary ny zava-doza raha mbola hoe io “budget de fonctionnement” no sanatria nanaovana zavatra hafa, toy ny kianja,… ka mahatonga ireo olana maro lafy miseho amin’ny endrika grevy. Sahirana tanteraka mampiodina firenena, miezaka miantso vonjy avy ivelany,... Aty amin’ny 3 taona nitondrana aza moa mbola miantso olona hanao ambasadaoro satria zara azo isaina amin’ny rantsan-tànana no voatendry. Tsy misy solontena any amin’ny ankamaroan’ireo rafitra sy firenena stratejika. Izany ve ilay hoe: manao “vitesse TGV” ny fampandrosoana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT