Politique

Rajoelina sy ny ekipany Mitady hanao amboletra ‘’1er tour dia vita!”


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Efa tany amin’ny volana martsa tany no tsikaritra ho nanomboka nanaparitaka tsimoramora ny fehezanteny hoe « 1er tour dia vita!» ireo mpomba ny filoham-pirenena, izy ireo izay fantatra tsara fa tia mitsapatsapa sy manao serasera totoafo hanamboarana tsimoramora ny sain’ny olona.

Mametra-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovao hoe izany ve no mahatonga ireny filazana misesisesy tsy hay hanarina hoe «tsy mbola nisy nahavita asa tahaka izao afa-tsy ity fitondrana ity » isak’izay mihetsika ireny ? Na dia efa fantatra mazava izao aza fa fitohizan’asa nataon’ny teo aloha ireny fotodrafitrasa notokanana maromaro tato ho ato ireny dia mbola mahagaga fa lazain’ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny ekipany ho vao izy ireo ihany no sambany mba nijery an’izany. Dia zao Miezaka mampiseho indray izany ankehitriny ny revolisionina volomboasary malagasy tamin’ny fotoan’androny fa mbola tena mahatarika olona maro be. Ny fitsarana avo momba ny lalampanorenena na HCC moa iny hoe nampiantso mpanao politika. Nitsapa ny alalin'ny rano ve izany no tena tanjon’ity farany ? Na inona na inona lazaina anefa dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe vakiana fotsiny fa ny rafitra misy dia efa hitan'ny mpanara-baovao politika hoe hampandresy an-dRajoelina. Raha mbola Ravalomanana sy ny TIM koa moa no eo dia efa mazava indray izany ny lalana sy ny fomba fiady fa ho atao jobily eto amin’ity firenena ity ihany angamba izany atao hoe fifanandrinana Rajoelina-Ravalomanana izany. Ho eto isika ary ahiana mbola hitotongana lavitra mihoatra ny efa iainana ankehitriny ny fari-piainan’ny malagasy. Asa izay kandida hafa aloha. Ny manaraka izay fampisehoan-kery izay moa dia io mametraka vato fehizoro fanombohan'asa sy fitokanana zava-bita etsy sy eroa io. Etsy ankilany anefa dia mampikaikaika ny maro an’isa ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahatampahan’ny herinaratra, ny tsy fahafaha-miasa araka ny tokony ho izy ho an’ireo mbola mba manana asa, ny tsy fananana asa sy ny tsy fihetezan-javatra rehetra kanefa ankehitriny i Rajoelina sy ny ekipany dia io mitady hanao hamboletra « 1er tour dia vita!» io, raha toa ka ny hoe « tsy maintsy ho lany » aho no nalaza tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT