Amin’ny maha olom-pirenena azy dia tonga nandatsa-bato ho amin’ny fifidianana Solombavambahoaka, teny amin’ny biraom-pifidianana teny Androhibe ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Ramatoa vadiny omaly alatsinainy.
Fotoana iray nahafahany nampita ny fiarahabana sy fisaorana ho an’ny vahoaka Malagasy, manoloana ny fahamatorana sy ny fiombonana tao anaty filaminana nasehon’ireo mpiray tanindrazana nandritra ny fifidianana telo notanterahina tao anatin’ny herintaona. Nambarany fa inoany sy antenainy ho araka ny safidim-bahoaka ny vokatra. Etsy ankilany, toa manomboka halan’ny MAPAR sy ezahina ahilika ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nampahatsiahy ny tsy tokony hisian’ny fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana izy ny 20 mey, saingy toa nifanohitra tamin’izany ny fihetsiky ny Filoha Rajoelina niaraka tamin’ny kandidan’ny IRD. Miha mazava izao fa tratry ny tsindry mba hanaiky an’i Ntsay Christian ho Praiminisitra i Andry Rajoelina sy ireo depiote MAPAR tany aloha. Efa ho roa herinandro kosa anefa izao no nandeha ny resaka teny amin’ireo etamazaoro politika maro samihafa fa hosoloina ny praiminisitra satria tsy dia mety loatra amin’ny vinan’ny filoha Rajoelina ary tena tsy ankatoavin’ny ankamaroan’ireo mpiara-mmiasa aminy i Ntsay Christian.Miankina amin’ny voka-pifidianana solombavambahoaka ihany anefa izy io; ny lalampanorenana rahateo mbola tsy niova ka manankery hatrany noho izany ilay andininy faha-54 izay milaza fa izay manana ny maro an’isa eny Tsimbazaza no manolotra ny anaran’ny praiminisitra ho tendren’ny filohan’ny repoblika.Mbola adilahy politika e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.