Nahitsy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny alahady teo nilaza fa anisan’ny mampiteny ny moana ny RN2, ary mahazo tatitra, mahazo sary, mahazo fitarainana avy amin’ny olona maro be izy.
Nanambara mihitsy aza izy fa misy olona miantso hoe avia ianao Atoa Filoha. “Efa niteny aho fa laharam-pahamehana ny RN2, ary efa nanome toromarika ny hanaovana azy tsy misy hatak’andro. Ny ankamaroan’ny làlam-pirenena teto dia tsy nisy fikojakojana, ka niha potika ny làlam-pirenena rehetra”, hoy I Andry Rajoelina. Toa azo hadika ho vely kanota ho an’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Atoa Hajo Andrianainarivelo ho tsy mahavita ny asany sy ny toromarika nomen’i Andry Rajoelina azy. Ity farany, izay efa nisy fotoana naneho, fa tsy ampy hanaovana fikojakojana ny làlana ny volam-panjakana. Misy ny avy amin’ny mpamatsy vola, saingy ny eo an-tànana aloha no hetsehina mandra-pivoakan’izany. “Ho any aho amin’ny herinandro, ary tsy maintsy amboarina ny RN2”, hoy I Andry Rajoelina. Tsy maintsy manome antoka ny orinasa hanao izany, ary hitondra orinasa maro izy, raha ny nambarany. Tsy mahavita azy ve izany I Hajo Andrianainarivelo amin'ny asa làlana, no hoe hiandry ny fidinan'i Andry Rajoelina miaraka amin'ireo orinasa mpanao làlana ny fanamboarana ireo làlam-pirenena simba. Omaly, dia namoaka fampahafantarana ny Minisiteran’ny asa vaventy nilaza fa orinasa 3 no hanao ny RN2, ka ny iray efa mifahatra ao Brickaville ary ny 2 efa nahatonga ny fitaovany ny alahady teo. Izay iray miseho na fomba ara-tserasera hoenti-mampiakatra ny lazan’i Andry Rajoelina izay latsaka ambany dia ambany noho ny antony maro ny hoe : izy mihitsy no hidina any, na koa endriky ny efa tsy fitovian-kevitra ao anaty fitondrana, ka toa mandeha ny kiana mivantana na ankolaka. Ho tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana ve i Andry Rajoelina sy Hajo Andrianainarivelo ? Io minisitra io izay tsy iray antoko amin’ny filoha ao anatin’ny TGV rahateo, fa nifanaraka hanohana an’I Andry Rajoelina ny MMM izay tao anatin’ny ARMADA. Ireny niaraha-nahita ireny ihany koa ny tenin’ny Mpandrindra nasionalin’ny TGV fa raha TGV daholo no teo tsy toy izao no fandrosoan’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.