Miha lalina hatrany ny hantsana eo amin` I Madagasikara sy I Frantsa, hoy ny andian-dahatsoratra navoakan’ny gazetiboky amin`ny aterineto Africa Intelligence omaly 28 septambra 2020.
Nisy ny fihaonana teo amin` ny masoivohon’i Lafrantsa Christophe Bouchard sy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, saingy mangatsiaka ny fifandraisana amin` I Paris sy Antananarivo. Raha toa ka nesorina ny didy tsy fahazoana mivoaka an'i Madagasikara (IST) nivoaka ny 04 septambra lasa ho an`ireo tomponandraikitra anankiroa ao amin'ny orinasa TOTAL Madagascar, roa herinandro taorian`izay dia tsy nampiova ny fifandraisana amin` ny firenena roa tonta izany. Araka ity andian-dahatsoratra ity dia mialohan` ity raharaha TOTAL ity. Nihaona ny Filoha Rajoelina sy Christophe Bouchard ny 26 aogositra lasa teo teny amin`ny lapan` Iavoloha. Nanazava ity masoivoho ity fa tsy marin-toerana ny fifandraisana ara-barotra eto Madagasikara araka ny nambaran` ireo orinasa frantsay. Etsy ankilany anefa, ny filoha Rajoelina dia mikiry amin`ny famerenana ireo nosy manodidina (Iles Eparses) saingy tsy nitondra fanazavana momba izany ny ambasadaoro frantsay. Anisan`ny nampananosarotra ny fifandraisana amin` I Paris io. Ny nahagaga dia nangina ny Filoha, ary ny Praiminisitra tsy niresaka an’io na kely monja aza tamin’ny kabariny nalefa tany amin’ny ONU ny 27 septambra teo.
NY MINISITRY NY FIAROVANA NO MITANDRO NY FIFANDRAISANA..
Araka ity andian-dahatsoratra ity hatrany, na dia nisy aza izany fihaonana izany dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard, no hany olon` ny governemanta mbola mitandro ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin` ny ambasadaoro frantsay. Na dia izany anefa tsy tanteraka ny fifanrahana ara-barotra nokasaina natao tamin` ny Airbus Helicopters mahakasika ireo angidim-by miisa telo vaovao ho an`ny governemanta Malagasy. Raha ny fantatra ihany koa dia maro ireo orinasa frantsay no diso fanantenanana amin`ny fitantanana asam-panjakana toy ny orinasa Orange. Ity farany moa dia niandrandra amin`ny fanalefahana ny tsenan` ny “fibre optique”. Araka ny nambaran`I Africa Intelligence hatrany dia ny orinasa Blueline, izay mpandraharaha Malagasy, no hisitraka ny “licence” vaovao amin` ity tsena ity, izay mety tsy mahafaly ny Frantsay. Io fa mifanenjana amin’ny Air Madagascar ihany koa ny Air France,… Ny haino aman-jery Frantsay saika isan’andro no manenjika mafy ny Mpitondra sy I Madagasikara. Midika zavatra maro!!!
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.