Nilaza fa efa niomana 4 taona ny Filoha Rajoelina, nirehareha fa tsy mila
fanampiana sy findramam-bola avy any ivelany. Nahitsy i Andry Rajoelina nilaza nandritra ny adihevitra nifanaovany tamin’i Marc Ravalomanana ny 8 desambra 2018 fa mampahantra firenena izany fitrosana izany kanefa ny an’ny Filoha teo aloha dia ny hitrosa foana. Nambarany fa isika aza no hampindrana an’i Kaomoro. Nahazoany doka goavana sy nahazoany mpifidy io kanefa aiza isika izao? Ny andaniny tamin’izany nilaza fa ny 87% amin’ny filàna ara-bola eto Madagasikara dia avy any ivelany, ka tsy afaka ny tonga dia hiala ankitsirano amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika, saingy nihomehezan-dRajoelina izany. Ankehitriny, ny Praiminisitra Ntsay Christian mihitsy no nilaza ny volana mey 2020 teo, fa andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy isan’ny miantoka ny fampandehanana ny raharaham-panjakana ny fanampiana avy any ivelany, izay niteraka resabe ny fitantanana tsy mangaraharaha. Ny kere any Atsimo ankehitriny, aza vonjy aina mbola iandrasana PAM, UNICEF, USAID, Banky Iraisam-pirenena,… hitondra fanampiana fa tsy manam-bahoalana ny Fanjakana. Nihomehezana ilay hoe “dam” na toho-drano noresahin-dRavalo, saingy tsapa ankehitriny fa ilaina. Ny krizy ara-tsosialy mitombo, ny vidim-piainana tsy voafehy,… Toa hoentina an-jambany na “pilotage à vue” ny firenena, fa tsisy sori-dàlana mazava, ka miankina amin’ny zava-mitranga ny lalan-kizorana, izay mazava fa vahaolana “tip top” hatrany no mipoitra eo.
TSY MAHAZAKA TSIKERA…
Raha ny Mpitondra ankehitriny no teo amin’ny fanoherana , efa vava be sesilany no nipatrapatraka tamin’ny haino aman-jery, sesilany ny fanenjehana,… toy ny natao tamin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina. Mety tonga hatrany amin’ny hoe: tsy mahavita azy, tsy mahavaha olana, mijaly ny vahoaka, mandika lalàna, fa indrindra moa ny fivoizana fa tsy mahatanty demokrasia sy mpanao didy jadona ny fitondrana,… izay niafara tamin’ny Filanjana vatam-paty hoe: “Miala Rajao”. Ho zakan-dRajoelina sy ny ekipany ve raha mety ho avy koa “Miala Rajoelina” aoriana ao kanefa vao tatitra kelin’ny depiote amina toerana mifefy aza hanaovana fandrahonana be ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.