Vaky ambatolampy nandritra ny fandaharana “l’Invité du zoma” tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny alin’ny zoma 07 febroary ny fisian’ny disadisa eo amin’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina. Ary efa tsy voalamin’ireo olona manodidina ny an-daniny sy ny an-kilany ny raharaha ka niantsoana mpanelanelana mba handravona ny olana. Nilaza ampahibemaso nandritra ny fandaharana ny mpanao gazety Onitiana Realy fa niresaka taminy ny mpandraharaha Ravatomanga, izay olona akaiky an’i Andry Rajoelina, mba hanao izay ho afany handresy lahatra an’ireo manodidina an’i Hery Rajaonarimampianina hifanatona, handravonana ny disadisa. Fitondrana fanazavana mikasika ny resaka nivoaka an-gazety mahakasika azy moa no nitarika an’i Onitiana Realy hilaza an’io, izay nampibaribary ny fisian’ny disadisa eo amin’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina na dia ezahin’ny mpiara-dia amin’ny an-daniny sy ny an-kilany afenina mafy aza.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.