Nigadona any Frantsa omaly maraina ny delegasiona malagasy notarihan’ny Filoha Andry Rajoelina, namaly ny fanasana ara-pomba ofisialy nataon’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron.
Teo amin’ny Place des Invalides no nanamarihana izany fandraisana ara-pomba ofisialy izany tamin’ny alalan’ny fisafoana ny andian-tafika frantsay izay nataon’ny Filoha Andry Rajoelina. Taorian’izay dia nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Jean-Yves Le Drian, tao amin’ny Quai d’Orsay ny Filoham-pirenena. Fihaonana, izay nanamafisan’ny roa tonta ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy Frantsa.Anisan’ny miara-dia amin’ny filoha any an-toerana ny minisitry ny raharaham-bahiny sy ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoran’afo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.