Rajerison Nicole

> Hikendry ny Lapan’ny tanŕna, rehefa tsy lasa teny Tsimbazaza


  • Zoma 31 Janoary 2014

Niampy iray indray ny antoko politika eto Madagasikara. Teraka tamin’ity volana janoary 2014 ity ny antoko UNRRM na ny Union Nationale pour la Refondation et la Reconstruction de Madagascar tarihin’ny filohany Rajerison Nicole, kandida tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo tao amin’ny Boriborintany fahadimy teto Antananarivo Renivohitra.

Antom-pisian’ny fikambanana, araka ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly, ny handray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena ka anisan’ireny ny sehatry ny fampandrosoana. Tsy latsa-danja amin’izany ny fametrahana araka ny toerana tokony hisy azy ny soatoavina Malagasy toy ny fihavanana hisorohana ny fanjakazakan’ny vahiny. Handray anjara feno amin’ny fifidianana rehetra ho avy hotanterahina eto amin’ny firenena ny UNRRM. Anisan’ireny ny fifidianana Ben’ny tanàna. Efa manana teti-pampandrosoana ny tanàna rahateo ny UNRRM. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia fantatra fa hirotsaka ho Ben’ny tanàna ary vonona haka izany toerana izany Rajerison Nicole, filohan’ny antoko. Anisan’ny asa laharam-pahamehany ny hanangana fotodrafitrasa vaovao ankoatra ny fanalana ny fako, ny fanomezana asa ireo tsy an’asa, ny fandaminana ny tsena ary ny fanamboaran-dalana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT