Politique

Rajaonah Andrianjaka Filohan’ny Otrikafo Manohy ny nataon-dRavalomanana i Rajoelina


  • Zoma 21 Janoary 2011


Avy amin’ny fanontaniana telo navantan’ny Tia Tanindrazana tamin-dry zareo teny Andravoahangy Ambony niainga avy amin’ny hoe : «Tsy mahatsiaro ho diso fanantenana ve ny Otrikafo amin’izao ataon’ny fitondrana tetezamita ankehitriny izao ?» sy ny hoe : “Ahoana ny fahitanareo ny fanelanelanan’ny Gic izao ?” ary koa ny hoe : “Ahoana ny hevitrareo mikasika ny famotsoran-keloka sy ny raharaha bois de rose ?” no mamalian’ny Filoha nasionaliny, Rajaonah Andrianjaka notronin’ireo mpikambana vitsivitsy ao aminy mazava fa «Tsy mbola nanohana an’i Andry Rajoelina mihitsy ny Otrikafo hatramin’ny faran’ny taona 2008 nanaovany fihetsiketsehana teny Ambohijatovo ka hatramin’izao. Ka tsy mieritreritra ho diso fanantenana izany izahay».

Mikasika ny dinika famahana ny krizy eto amin’ny firenena dia nambaran’Atoa Rajaonah Andrianjaka fa «nanaraka ny hevitr’izy ireo daholo ny mpanao politika hatramin’ny madinika indrindra ka hatramin-dRajoelina talohan’ny 2009 amin’ny hoe : tsy ilaina ny fifampiraharahana amin’ireo milaza azy ho «Communauté internationale» ireo. Na ireto farany aza dia niaiky fa ny diniky ny samy malagasy izay teny avy amin’ny Otrikafo no hamaha ny krizy». «Ny mampalahelo anefa», hoy izy, «dia ny teny ihany no azon’ireo mpanao politika fa ny votoatin’io hevitra io tsy azony mihitsy. Mbola ny «consensuel» sy «inclusif» izay hevitra maloto avy amin’ny Iraisam-pirenena ihany no nirosoana ka lasa nanao sonia ny Maputo 1 hatramin-dRajoelina». I

ty firenena ity no tsy mety mandroso dia ny fisian’ny tsy maty manota ao aminy, hoy ny Otrikafo. Toa efa taratry ny Otrikafo fa andeha amin’izany ny raharaha raha namaly ny resaka “bois de rose” izy ireo hoe : “Ny harenantsika dia noviravirain’ireo mpitondra nifanesy teto hatramin’izay ka “eo amin’io “bois de rose” io no ahitana ny fitohizan-draharaham-panjakana nifandimby farany (continuté de l’Etat) fa manohy fotsiny ny famoterana an’i Madagasikara i Andry Rajoelina. “Ka iza ihany tokoa izany le bandy ?”, hoy ny hira malaza.

 Nangonin’i Manohy 
 
sary : Rajaonah Andrianjaka, filohan’ny Otrikafo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT