Politique

Rainidina Rajoharison “Tsy maintsy idirana ny fikaonan-doham-pirenena”


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Misaotra ny Filoha isika nampiakatra ny karaman’ny mpiasa, hoy ny filohan’ny antoko politika Solide, Rainidina Rajoharison.

Efa ho 2 taona mantsy io tsy niakatra, hoy izy. Marihina anefa fa ny 5% malagasy ihany no voakasik’izany. Ny tantsaha sy ireo miasa amin’ny faritra “informel” izay kajiana fa 95% ny Malagasy dia tsy misitraka izany. Tao anatin’ny 2 taona dia niakatra be ny vidim-piainana, kajiana ho mahery ny 50% ny fiakaran’izany. Tsy mahasahana akory ny fiakaran’izany io fisondrotan’ny karama io. Ampoizina koa anefa fa rehefa hiakatra ny vidin-tsolika atsy ho atsy dia vao maika hiha lafo be ny fiainana. Piti-drora kely fotsiny izany io fisondrotana io. Apahany kely ihany koa no hisitraka ny 25% fa ny maro dia 13% eo amin’ny mpiasam-panjakana. Toy izany koa ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Ireo mpiasa madinika ihany no ahazo ilay 50.000 ariary. Ny hafa dia miankina amin’ny isaky ny orinasa. Fisehosehoana ihany iny fisodrotana karama iny fa olom-bitsy no misitraka azy. Miha mahantra hatrany ny malagasy. Atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Kolikoly, fanararaotam-pahefana, jadona no ataon’ireo mpitondra ny firenena. Bokan’ny trosa ny firenena. Fifidianana no ambetin-dresaka izao. Izahay dia efa nanohitra ny fanaovana ny fifidianana farany natao ny taona 2018. Nolazainay tamin’izany fa tsy mety io lalam-pifidianana io. Ireo mpanam-bola no tsy maintsy mandresy raha io no hampiharina. Nolazainay koa fa tsy marina io lisim-pifidianana io fa tokony atao biometrika. Nanohana izany hevitra izany ny CENI teo aloha. Efa nolazainay koa fa ny lalampanorenana mihitsy no tokony hovaina vao milamina ny firenena. Tamin’ny Jolay 2021 dia efa nisy antoko politika sy fikambanan’ny firaisamonim-pirenena namolavola fehinkevitra hanitsiana ny lalam-pifidianana. Napetraka teo anivon’ny antenimera roa tonta sy ny primatiora izany. Tsy nisy valiny hatramin’izao. Izahay mahatsapa fa hikorontana ny firenena raha tonga dia hiditra amin’ny fifidianana isika. Tsy maintsy idirana ny fikaonandoham-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT