Politique

Raiamandreny Mijoro Lasitra iray amin’ny FAT


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Niandry ny fivoahan’ny valin’ny fitsapan-kevi-bahoaka vao naneho hevitra indray ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finona izay mpikarakara ny fikaonandoham-pirenena.

Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanome lanja ireo dingana vitan’ny Malagasy hamahana ny krizy ny pastera Ramino Paul, filohan’ny Raiamandreny Mijoro. Na dia tsy nanao fanambarana mivantana aza anefa ity farany dia mangataka ny hankatoavan’ireo firenena vahiny matanjaka miampy ireo mpamatsy vola iny fitsapan-kevi-bahoaka iny ny tenany ka hirosoana amin’ny Repoblika faha-4. Naverin’ny Raiamandreny Mijoro novakiana koa ireo fehin-kevitra momba ny fananganana ny governemantan’ny firaisampirenena sy ny Komitin’ny fampihavanana Malagasy izay tapaka teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra teo ho fanajana ny hevitry ny besinimaro nandray anjara tamin’ny fikaonandoham-pirenena izay izy no mpanara-maso ny fampiharana azy. Misy koa ny antso nataon’izy ireo ho an’ny mpanao politika tsy ankanavaka, ny mpitondra sy ny mpanohitra mba samy haneho ny fitiavan-tanindrazana ka tsy hikatsaka afa tsy ny tombontsoan’ny vahoaka ihany. Moa va tsy izay ventesin’ny mpitondra FAT ihany no averin’ny Raiamandreny Mijoro. Lasitra iray ihany !

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT