Politique

Raiamandreny miaro an’i Toamasina Mitaky ny fialan’ny Filoha ao anatin’ny 72 ora…


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Nanao fanambarana ireo andian’olona mitonona ho Fikambanana Vondron’ny Raiamandreny miaro an’i Toamasina omaly, izay maneho fa ahitana ny foko rehetra tsy an-kanavaka.

 

 

 

 

Vonona izahay vahoaka eto Toamasina fa efa tsy mety maty noho ny fitahian’ny zanahary anay. Efa tsy azo hiainana intsony ny rivotra eto aminay satria voaloton’ny orinasa sasantsasany izay tsy manaraka ny fepetra takian’ny tontolo iainana, ny rano amin’ny paompy tany efa voapoizina, jerem-potsiny izany zava-misy izany, hoy ilay fanambarana. Izao indray dia nampiana ity aretina coronavirus ity izay mandripaka olona maro maneran-tany. Lazainao izahay eto Toamasina Atoa Filoha fa renivohitry ny coronavirus, misaotra anao! Aza adinonao fa tompon’andraikitra mivantana voalohany tamin’ny fampidirana io aretina io ianao tamin’ny tsy fanakanana sy fanakatonana ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo ka mipetraka ho tantara izany, hoy ny fanambarana. Inona no mba fikarakarana nataonao teto aminay? Ny bizina CVO, noterenao ny zanakay hisotro an’io ary tsy nahazo nianatra raha tsy nisotro, izay toherinay ary mbola toherinay androany. Raha mahasitrana marina ny CVO anao dia nahoana no mbola mitombo foana ny marary, ary maro no mbola tsy sitrana? Nahoana ihany koa no mbola hampibobohanao ny vahoaka, tsy mazava fa angaha mbola tsy voafehy indray izy ity? Marihina, hoy ireo vondron’olona ireo, fa tamin’ny nahatongavanao farany no nahitana ny fiakaran’ny antontan’isa izay mampieritreritra satria ny fitiliana nataonareo dia samy manana ny filazany. Hatramin’izao tsy mbola fantatra ny marina amin’io. Lalaovinao loatra ny fiainam-bahoaka Atoa Filoha Andry Rajoelina amin’ny fahaizanao miteny, koa miala tsiny aminao izahay, fa tsy maintsy handray andraikitra amin’ny maha Raiamandreny anay an-tanàna. Noho izany, dia mangataka aminao amim-panajana izahay Atoa Andry Nirina Rajoelina Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara mba hametra-pialana ao anatin’ny 72 ora satria nivetavetainao i Madagasikara sy ny vahoakany, hoy io fanambarana io. Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ity fanambarana niainga avy tany Toamasina ity, izy endriky ny fiakaran’ny maripana politika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT