Politique

Raheriarijaona Régina Clarisse « Tena ilaina ny fisian’ny mpanohitra »


  • Zoma 18 Desambra 2020

« Tany demokratika isika ary misy hatrany ny fanoherana. Hatramin`izay dia

 

 

malaza ho mpanohitra foana ny any Farafangana. Misy mihitsy no milaza fa mety voaktr` izany no nampihemotra ny faritra Atsimo Atsinanana indrindra ny distrika Farafangana” hoy Raheriarijaona Régina Clarisse, solombavambahoaka voafidy tany Faranfangana tamin` ny alalan` ny vondrona IRD. Namafisiny kosa fa ilaina ny fisian`ny mpanohitra. “Antony, izy ireo no lasa arofenitra hanitsiana izay lalana aleha. Amiko, dia noho ny kihana ataon` ireo mpanohitra no mampandroso” hoy izy. Nambarany kosa fa matetika ny tsy manao ihany no manohitra saingy tsy maninona izany satria izany no mampandroso. Ho an`ity depiote ity dia raisiny ho hery lehibe ny kihana ataon`ny fanoherana satria izany no ahafahany manitsy ny lalany. Notsipihany manokana fa noho izany fihainoina ny mpanohitra izany no nahafahana nandresy tamin` ny salanisa 96% nandritra ny fifidianana loholona. “Izany dia noho ny kihana nataon` ny mpanohitra ka lasa hery ahafahana mandeha aloha kokoa. Izao no hevitry ny mpanohitra ka ahoana no ahafahako manao misy misy kokoa noho izany?” hoy hatrany izy. Nanatitratitra ity olom-boafidy ity fa “tsy ho Farafangana ho gisitra intsony manomboka izao fa Farafangana voalohany amin` ny fampandrosoana”. Marihana fa mbola dinihana eny anivon` ireo Antenimiera roa tonta ny volavolan-dalàna mifehy ny satan` ny fanoherana.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT