16 taona nijoroana ny Sempama, (Sendikan’ny Mpampianatra Mpanabe eto Madagasikara). Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nisy fihaonana natao tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny sabotsy 15 febroary nandraisan’ireo solontena avy any amin’ny Faritra anjara, sady nifampiarahaba nahatratra ny taona 2014.
Niverimberina tamin’ity fihaonana ity fa marim-pototra ny fitakiana ny amin’ny tsy maintsy hamerenana indray ny hasina maha mpampianatra mpanabe. Voaporofo izany satria ireo 33 mianadahy nifaninana ho filohan’ny Repoblika farany teo iny, dia saika nanambara avokoa izy rehetra ireo tao anatin’ny vinam-piarahamonina novolavolainy avy fa tsy maintsy hatao lohalaharana ny fijerena manokana ny mikasika ny fampianarana sy fanabeazana. Ivon’ny fitakian’ny Sempama moa ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM, ny hananganana isaky ny Cisco vaomiera manokana hisahana ny fanaraha-maso ny fandraisana ho mpiasa sy famindran-toerana, ny hananganana ny filankevi-paritry ny fanabeazana isaky ny renivohi-paritra kosa. Na izany aza dia milaza ny Sempama fa mitohy ny tolona. Mbola misy valo mantsy hatramin’izao ireo mpampianatra notapahana karama manerana ny Nosy efa roapolo volana izao. Ny efatra tamin’izy ireo dia tonga tao Mahamasina avokoa. Fa ny tena nanamarika sy antony nahatongavan’ireo avy any amin’ny Faritra dia ny antso niarahan’izy ireo niombona, izay nambaran’izy ireo fa niainga avy any ifotony mihitsy, ka niangaviany ny Filoha Nasionaly Raharovoatra Claude hanaiky hitantana ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’izao fivoahana amin’ny krizy izao. Izany dia mba ahazoana manatanteraka ireo foto-kevidehibe tamin’ny tolona, dia ny tsy faneken’ny mpampianatra mpanabe ny hampiasana ny Minisitera sy ny olona ho fitaovana politika, handray an-tanana ny hoaviny manomboka izao ny mpampianatra mpanabe mba ahazoana mamerina indray ny hasina maha mpampianatra-mpanabe. Atoa Raharovoatra Claude tetsy an-kilany dia nilaza fa “maha velombolo ny 16 taona manaraka raha tombanana amin’ny kabary nataon’Atoa Filohan’ny Repoblika teny Mahamasina tamin’ny 25 janoary 2014”. Fantatra nandritra ity fihaonana tetsy Mahamasina ity fa maro ireo mpikambana Sempama no nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ka nisy folo no voafidy.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.