Ampitovian’i Andry Rajoelina amin’ny asana filoham-pirenena lanim-bahoaka ny tenany, hoy Raharison Hilarion, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana raha nandaha-teny tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Fampandehanan-draharaha anefa no tokony hosahanin’izany tetezamita izany. Ireo mpitondra amin’izao fotoana, araka ny fanazavany, dia satrin’izy ireo aza 10 taona hitondra tetezamita eo ihany. Misy fetrany anefa ny zavatra rehetra ary efa tsy atokisan’ny vahoaka intsony izao fitondrana izao. Manjaka ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy ary dia tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena.
Noraisiny, ohatra, ny Kaominina ambonivohitra Fianarantsoa, fa dia fito volana izao no tsy nandray karama ny mpiasa ao ary ireo sefo Fokontany dia 23 volana no tsy nahazoan’izy ireo ny tambin-karamany. Nambaran’ny CT Raharison Hilarion fa tsy maty fafaina ny zava-bitan’ny filoha Marc Ravalomanana manerana ny Nosy. Na dia ny filohan’ny delegasiona manokana ao Fianarantsoa renivohitra aza dia niaiky, hoy hatrany Raharison Hilarion fa tsy misy maharesy an-dRavalomanana izany amin’ny fifidianana. Notsiahivin’ity mpikambana eo anivon’ny CT ity ihany fa raha tsy naongana i Marc Ravalomanana dia efa i Madagasikara no nitantana ny Vondrona Afrikanina.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.