Politique

Raharinaivo - Vyvato - Ando Parson Any Frantsa : hamita iraka sa hiantsena krismasy ?


  • Alarobia 15 Desambra 2010


Ny alin’ny sabotsy 11 desambra hifoha ny alahady 12 desambra izy ireo no niala mangingina an-tanindrazana. Araka ny loharanom-baovao dia herinandro eo no faharetan’ny dian’izy ireo any Frantsa any, ka ny zoma alina na sabotsy maraina izao no hiverina. Koa satria niala mangingina teto izy ireo dia manjavozavo manaraka izay koa ny anton-diany any. Dia mahakasika ny Kongresin’ny tetezamita ? Mampametra-panontaniana ihany satria tsy misy mpahalala any Eôrôpa any izany Kongresy izany. Fa ny mahagaga koa dia Raharinaivo ihany no mpikamban’ity rafitra ity amin’izy ireo ankoatra izay toa olon’Analamanga avokoa ity lasa.

Raha resaka politika indray dia tsy hahasolotena an’iza n’iza izy telolahy ireo, raha iaingana ny fanazavana nataon’ny Birao politika Tiako I Madagasikara notarihin’i Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneraliny, tao amin’ny Foiben-toeran’ny antoko ao Belair ny zoma 10 desambra 2010, ka tsy afaka hiteny na hanao asa amin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara izy ireo any. Ka inona ary, hamita iraka ? Resahina betsaka rahateo fa mpitondra tenin’i Andry Rajoelina any amin-dRaharinaivo eny Tsimbazaza eny i Ando Parson. Lafrantsa rahateo moa firenena mitsabaka loatra amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara sy tamin’ity krizy ity, toy ny fisian’ny fiaraha-miasa ara-miaramila, izao ny fizahantany, sy ny fisainan’ireny firanarahana miafina nataon’ny mpomba ny FAT toa ny “Accord d’Epinal” sy “Accord de Malmaison” tamin’ny 2009 ireny. Hiantsena krismasy ? Amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy ireo dia zony tanteraka izany. Ny fiverenan’izy ireo an-tanindrazana anefa no hamantarana misimisy kokoa ny anton-dian’izy ireo tany Frantsa tany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT