Politique

Raharinaivo sy ny tariny Tafita vao rendrika ?


  • Talata 18 Janoary 2011

Na dia teo aza ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina ny zoma 14 janoary teo dia mbola mitohy hatrany ny fihaonana sy fifampidinihana eo amin’ireo ankolafy politika maro samihafa, ho fikarohana ny marimaritra iraisana amin’ny famahana ny krizy.

Efa azo ambara hoe vita ny dingana voalohany teo amin’ny famerenana sy filazalazana indray ny fitakian’ny ankolafy tsirairay avy sy ny filazana ny zavatra mampifanipaka ny hevitra sy ny fomba fijery. Ao amin’ny dingana faharoa ny dinika amin’izao fotoana dia ny fanekena ny drafi-pifanarahana lasitra, izay mbola azo ahitsy sy asiam-panovana. Ary raha ny fahazoana ny resaka rehetra hatreto, dia miankina amin’ny fifanarahan’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina no hiampitana indray, any amin’ny dingana manaraka. Izany rehetra izany moa dia eo ambany fiahian’ny SADC iraka manokan’ny sehatra iraisam-pirenena handamina ny krizy Malagasy. Ireo ankolafy roa fototra niaingan’ny krizy ireo no tsy maintsy mifanaraka aloha, dia ho mora kokoa ny fifampiresahan’ny ankolafy rehetra aty aoriana, raha ny nambaran’ireo mpanao politika.

Tsy efatra intsony anefa ny ankolafy amin’izao fotoana fa efa lasa enina satria niampy ny ESCOPOL sy ny UDR. Koa mametra-panontaniana ihany noho izany ireo mpandinika ny toe-draharaha politika hoe : ao anatin’ny ankolafy inona izany no misy an-dRaharinaivo sy ny tariny ? Tsy misy mantsy izany hoe ankolafy Tiako i Madagasikara nisintaka izany, fa ankolafy Ravalomanana no misy. Sa efa ankolafy Rajoelina ve no misy azy ireo ? Raha izay no marina, tsy hotazonina eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Kongresy intsony Atoa Raharinaivo atsy ho atsy raha vao raikitra ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana tena izy.

Tsy ao amin’ny ankolafy Ratsiraka, na Zafy Albert aloha izy ireo, tsy afaka hisandoka ho UDR na ESCOPOL ihany koa. Mety hitombina ihany, araka izany, ilay hoe tsy maintsy hamitram-pihavanana amin’ny TIM miara-dia amin’i Marc Ravalomanana ry Raharinaivo sy ny tariny raha tsy te ho «tafita vao rendrika», satria miainga avy any amin’ireo ankolafy politika ny olona atolotra ao anatin’ireo rafitra tetezamita ary tsy maintsy eken’ny lehiben’ny ankolafy tsirairay avy ny anarana aroso.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT