Politique

Raharinaivo Andrianatoandro “Tokony hiova fijery sy famindra ny TIM”


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Isan’ireo nanamarika ny Antoko TIM, niara-nanangana io antoko io niaraka tamin’i Marc Ravalomanana tany amin’ny 20 taona lasa Atoa Raharinaivo Andrianatoandro.

“Fotoana izao tokony hijerena kokoa ny ampitso. Ny lasa aleo homba ny lasa, marina fa tsy tamin’ny rariny ny nanesorana ny Filoha Ravalomanana teo amin’ny toerany, kanefa izay no izay. Izaho tsy miteny hoe: ekena, fa enga anie izany ho lasa fanohitra hiatrehana ny ampitso, betsaka ny zavatra miandry, mamay ny toe-draharaha amin’izao, ary tokony hiomana amin’izany ny antoko Tiako i Madagasikara, raha tiantsika ny hahalany ny kandida natoralintsika, dia ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy hatrany ity Filohan’ny TIM teo aloha ity. Aminy, tokony hiova famindra, tokony hiova fijery izay adika amin’ny teny Frantsay ny hoe: “changer de paradigme” ny TIM, izany hoe: jerena ny antony tsy nampandroso? Jerena ny vina ary samy nanao ny mpitondra rehetra nifandimby, lainga raha hilaza hoe: tsy nanana vina sy finiavana hampanjary ny fiaianan’ny Malagasy ny filoha izay nifandimby fa kanefa fa tsy nisy nahomby. Anjarantsika Tiako i Madagasikara no mametraka “base” na fototra vaovao amin’ny fomba fijery vaovao hoe: inona no nahatonga izany amin’ny alalan’ny programa tsara ananantsika izay hojerentsika amin’ny lafiny politika, hoy Raharinaivo Andrianatoandro. Toy ny efa nambarany sy nanehoany hevitra ara-politika voalohany taorian’ny fahanginany nandrindra ny fivahinianany tao amin’ny Top Radio FM 102.8 ny herinandro teo, somary tamin’ny alalan’ny vazivazy no nilazany tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro mikasika ny fiovan’endrika eo aminy izay nanalava volo. Milaza fa tafintohina ianao mahita ny voloko fa moa mba tafintohina ianao amin’izao fomba fitantanana feno kolikoly, fanondranana harem-pirenena sy volamena izao,…? hoy ity mpanao politika ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT