Politique

Raharinaivo Andrianatoandro Tia seza fa tsy tia tanindrazana ?


  • Alakamisy 02 Desambra 2010

Ho an-dRaharinaivo Andrianatoandro filohan’ny Kongresin’ny tetezamita dia tsy ara-dalàna sady tsy manan-kery ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara hanala sy hanolo ireo tompon’andraikitra maro samihafa teo anivon’ity antoko ity.

Araka ny filazany dia tsy avy any Etazonia mihitsy no hanapahana ny hoavin’ny antoko fa eto Madagasikara, ary izy moa dia manitrikitrika fa mbola ny tenany no filoha mpitarika ny TIM ara-dalàna amin’izao fotoana, ary izay no fantatry ny fitondram-panjakana fa tsy zavatra hafa. Tsy manan-kery ary tsy azo ampiharina, hoy Raharinaivo Andrianatoandro ny fanendrena ny «Direction collégiale» sy ny sekretera jeneraly ary ny mpanolotsaina eo anivon’ny TIM nataon’Atoa Yvan Andriasandratriniony avy any Etazonia. Aminy dia antoko velona sy mijoro ara-panjakana sady manana ny mpitarika azy eto an-toerana ny TIM no sady efa nandray andraikitra ka nanolotra solontena any anatin’ireo andrim-panjakana maro samihafa. Izany no natao dia mba ho fandaminana ny fitondrana tetezamita sy ho mariky ny fampihavanam-pirenena sahady, araka ny nambaran-dRaharinavivo Andrianatoandro ihany.

Ho an’ireo tena mpikatroka mafana fo ao amin’ity antoko teo amin’ny fitondrana teo aloha ity kosa anefa miampy ireo izay tena manohana tsy misy fepetra an’i Marc Ravalomanana, dia mpikarama an’ady politika Raharinaivo sy izay rehetra mpanara-dia azy, ary nanaiky ny fanambitambazana nataon’ny FAT ka niditra tao amin’ireo rafitra rehetra misy amin’izao fotoana. Tsy tolona mihitsy no filaza izany ho azy ireo fa fitiavan-tseza. Tia seza fa tsy tia tanindrazana Raharinaivo Andrianatoandro sy ny tariny ary nahazo ny anjarany. Gadra lava no nahafantarana ity filohan’ny CT ity tamin’ny 2009, filohana andrim-panjakana izy amin’izao fotoana, ka maro ihany no tsy resy lahatra amin’ny zavatra ataony ary manitrikitrika fa anisan’ny fahadisoana paikady politika nataon’i Andry Rajoelina ny nanendrena olon’ny filoha teo aloha ity hitarika ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsiambazaza. Ho hita eo ny tohiny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT