Politique

Raharinaivo Andrianatoandro “Teneno ry zareo hiaraka hiasa !”


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Nitohy tetsy amin’ny “Espace de Verre” Ankorondrano, ny sabotsy 15 janoary teo, ny tsindrom-paingotra nataon-dRaharinaivo Andrianatoandro amin’ireo firehana politika ivelan’izao rafitra najoron’ny Fahefana avon’ny tetezamita, taorian’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato ny septambra 2010 izao, dia ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) izany.

Lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2011 no niarahan’ireo mpikambana CT sy CST miara-dia aminy teny an-toerana io sabotsy io, ka nandritra izany no nanambaran’ny filohan’ny CT tamin’ireo mpiara-dia aminy hoe : “teneno ry zareo hiara-kiasa fa raha tsy mety avelao any amin’ny sisin-tosy any. Tsy tokony hiavona isika fa tokony hiaraka”, sy nanohizany fa “aza gaga ianareo raha namoaka iny kabary (teny Iavoloha) iny aho”, hoy Raharinaivo.

Tamin’izay, tsiahivina ihany, no nilazan’ity farany fa  tsy mitsahatra miala nenina izy, saingy ankehitriny dia misy manao fiavin’ny tafara. “Roso ny dia, lasa ny fiarandalamby, miainga ny fiara. Tsy azo atao takalon’aina ny vahoaka 20 tapitrisa”, hoy Raharinaivo teny Iavoloha, izay nanao teny an’eso ihany nilaza “ho an’ireo namana tavela anaty rano. Nandalo ny sambo hanavotra azy. Tsy nanaiky anefa izy ireo raha tsy miova, hono, ny ekipazy”. Na izany aza i Mahatafa Armand (CT) dia nilaza ny fahavononany hatrany “hifampiresaka amin’ireo namana any ambadika”. “Efa ela loatra ny krizy. Vonona izahay rehetra hiara-dia sy hiara-kiasa amin’ireo vao hiditra”, hoy izy. Nohamafisin’i Ipirina Jean de la Croix (CST) izay fahavononana hiaraka hiasa izay. Niverimberina nandritra io fifampiarahabana teny Ankorondrano io ny filazana fa “antoko velona, tsy an’olon-tokana ny TIM” 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Fihaonan’ireo mpikambana CT sy CST miara-dia amin-dRaharinaivo tao amin’ny “Espace de Verre” Ankorondrano (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT