Efa milamina ny toe-draharaha eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) taorian’ilay fikasana hanongana ny filohany Raharinaivo Andrianatoandro, ny herinandro lasa teo.
Tsy dia nahoraka firy io resaka io satria nisoko miadana teny Tsimbazaza teny ny fanangonan-tsonia «pétition» hanonganana ny filohan’ny CT. Maro amin’ireo mpikambana CT manohana ny fitondran’i Andry Rajoelina tokoa mantsy no tsy faly tamin’ny nahalany ity olon’ny Tiako i Madagasikara ity hitarika ny Kongresin’ny tetezamita, ka dia efa hatrany am-boalohany izy ireo no nikaroka ny fomba handrodanana azy. Nilamindamina ny resaka ankehitriny, saingy tsy fantatra mazava hoe inona no tena nampilamina azy. Ny hisavorovoron-kilatoana, hoy Atoa Raharinaivo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy, tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana araka ny nambarany ka rehefa mazava ny zava-drehetra dia samy tony ihany koa ny rehetra. Fa manodidina ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny dia mbola mamerina ihany ity filohan’ny CT ity fa tsara raha mitady izay fomba mahomby indrindra hampitony ny tany sy ny fanjakana ary ny tontolo politika amin’ny ankapobeny ireo herivelona rehetra eto.
Dingana tsy maintsy arahana hahatongavana amin’izany araka ny filazany ny famerenana indray ny fahafahana maneho hevitra, ny fanomezana fahalalahana feno ny asa fanaovan-gazety ary ny fanokafana ireo Radio nakatona. Apetraka mazava kosa anefa ny lalàna ho fanatanterahana izany hoy izy, fa tsy midika ho baranahiny velively ny fahalalahana, mila atsangana miaraka amin’izay rehetra izay ihany koa ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Rehefa vita ireo rehetra ireo ka tony ny saina amam-panahy dia afaka miroso amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka amin’izay ny parlemanta araka ny filazan-dRaharinaivo Andrianatoandro azy ihany. Efa hatramin’ny herintaona moa no nilaza ity mpanao politika ity fa mila tony ny rehetra izay vao afaka miroso amin’ny fikaroham-bahaolana mahomby sy maharitra amin’ny krizy, fa tsy mety ny mifampiraharaha ao anatin’ny ahiahy sy ny tebiteby.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.