Adihevitra tato ho ato ny momba ireo Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay. Nampahatsiahy ny tantara ny Pr Raymond Ranjeva, mpitsara iraisam-pirenena izay nanamafy fa nandray andraikitra tamin'ny famolavolana ny dosie momba ireo nosy kely nanomboka tamin'ny jona 1973.
Io no dingana voalohany tamin'ny fisokafan’ny fifandirana eo amin'i Frantsa sy Madagasikara momba ireo nosikely ireo. Nijoro sy niaro ny zon'ny Malagasy aho ary nitaky ireo nosy ireo teo anivon’ny Firaisambe Afrikanina, ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana,... izay samy nanamarina ny maha ara-drariny ny zo ny fiandrianam-pirenena Malagasy, hoy izy. Angady nananana ny fanapahan-kevitra tamin'ny 1979 izy, ary nampahatsiahy fa firenena 8 ihany no nitsipaka ny tolo-kevitra naroson’i Madagasikara. Notsiahiviny fa “Iles Malgaches de l’Ocean Indien” no tena fiantsoana ireo Nosy ireo. «Raha ny tena marina, tsy manana fitaovana hitandroana an'ireo faritra ireo i Madagasikara ... Misy ireo laharam-pahamehana hafa toy ny fahasalamana, fampianarana,… Noho izany, mila miara-miasa amin'ny Frantsay i Madagasikara ho fiarovana an'ireo faritra ireo amin'ny alalan'izay fitaovana kely eo am-pelatanany», hoy kosa ny tenin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Naina Andriantsitohaina tao amin’ny onjam-peon’ny RFI raha atao dikan-teny malalaka. Toa mazava fa resabe ny hoe hiady ireo Nosy fa mbola tsikombakomba amin’ny Frantsay no paikadin’ny mpitondra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.