Politique

Raharaham-pirenena Tratry ny tsindry goavana ny fitondrana


  • Zoma 10 Jona 2022

Arakaraka ny maha atomotra ny fifidianana izay voafaritra fa hatao amin’ny taona 2023 no mampitombo ny tsindry mahazo ny Fitondrana Rajoelina.

Endrika ivelany sy tahotra politika ny endrika fandrangarangana hery sy fahefana, fanaovana antsojay toy ny fanakanana ny hetsiky ny mpanohitra, fa ny sary rehetra miseho dia ambony ny tsindry heverina fa tsy ahafahan’ny Fitondrana ankehitriny mikofoka sy toa manery azy hidiratra amin’ny mety ho fifandaminana politika ihany. Amin’ny lafiny diplaomasia, marina fa manana ny fiandrianam-pirenena isika, saingy tsy mbola afa-bela amin’ny iraisam-pirenena hatreto. Ny Vondrona Eoropeanina izay manaraka akaiky ny toe-draharaha eto, ohatra, dia tsy sasatry ny mampahatsiahy ireo pitsopitsony ara-pifidianana mila hatsaraina. Toa efa manipy teny amin’ny tokony hisian’ny fikaonan-doha nasionaly momba ny fifidianana na mety ho fifandaminana politika. Io iaraha-mahita io omaly ny fihetsiky ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI mampiantso ireo vovonana politika samihafa. Tsy tongatonga ho azy izany. Sarotra ho an’ny fitondrana ny hanao amboletra politika, hanao fifidianana araka izay mety aminy. Nanomboka tany amin’ny febroary 2020 nanaovan’ny Filoha lefitry ny CENI tamin’izany fotoana Atoa Thierry Rakotonarivo momba ny raharaha “doublons”, dia efa nihevaheva tsy marin-toerana intsony ity Fitondrana Rajoelina ity. Nanampy trotraka izany ny tsy fahaiza-mitantana hita taratra tamin’ny endriny samihafa. Krizy mandavan-taona ny fitantanana ny firenena, maro ny olana sy lafin-javatra tsy voafehy, sahirana tanteraka ny fitondrana, ary fampiodinan-draharaha no betsaka. Ny tondro rehetra rahateo saika manaratsy endrika ilay fitondrana avokoa, ary mahakely ny herijikany ho lany indray amin’ny taona 2023 raha tena fifidianana madio sy mangaraharaha. Manome vahana ny mpanohitra ny tsy fahombiazana amin’ny endriny maro.
AHIANA NY KRIZY SY FIPOAHANA
Mpifidy 2 500 000 tamin’ny 10 tapitrisa teo no nahalany an-dRajoelina, raha toa ka 2000 000 mahery teo no nisafidy an’i Marc Ravalomanana. Sarotra ho azy ny hahatazona io isan’ny mpifidy io raha tarafina amin’ny vokatry ny fitantanany amin’ny fiaianam-bahoaka izay toa krizy lava tao anatin’ny telo taona. Vao mainka poizina ho an’ny fitondrana tsy hivoahany amin’ny varavaram-be ny amboletra hifikitra. Krizy sy fipoahana politika aorian’ny fifidianana no ahiana hiseho, raha izao efa tsy fahombiazana izao no mbola hananganana fitondrana miorina amin’ny amboletra sy kajikajy politika maloto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT