Tsy misy idiran’ny resaka K25 na zanak’i Dada araka ny voizina anaty tambazotran-tserasera sy etsy sy eroa intsony ankehitriny ny fanoherana ny zava-misy eto amin’ny firenena.
Tsy mifidy firehana intsony fa dia samy mahatsapa ny tsy firindrana sy tsy fifehezana ny zava-misy ny ankolafy maro. Mpandraharaha, mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, eny fa na dia ireo heverin’ny olona ho nifamadika sy nifanao sakay sy maso fahiny aza. Izay nanaraka ny tantaram-pirenena dia nahatadidy tsara fa izany Alain Andriamiseza izany, ohatra, no niala voalohany tamin’ny tolona ho amin’ny famerenana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, na dia nanomboka azy aza ny taona 2009 rehefa nanangana ny nantsoiny hoe governemantan’ny marimaritra iraisana ny fitondrana tetezamita tamin’ireny. Ankehitriny anefa dia ity farany mihitsy no toy ny miseho ho tanana ankavanan’ity filoham-pirenena teo aloha ity ao anatin’ilay rodoben’ny mpanohitra na RMDM. Namaivay ny fanankianan’izany Joseph Yolland izany Marc Ravalomanana izany tamin’ny fotoan’androny kanefa dia miara-dia izy ireo ankehitriny hanohitra izao zava-misy izao. Na ireo manana firehana mivoy ny atao hoe “centrisme”, toy ny antoko politika Natiora aza, ohatra, dia nanatevin-daharana ity hetsika ity avokoa. Mahafantatra izany Paul Mpody sy izany Henry Rakotomalala na Riribe izany ihany koa ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ary raha ny nambara tao aza moa dia solontena ihany ireo efa tonga fa mbola maro ny ho avy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.