Politique

Raharaham-pirenena « Mila fiovana mahery vaika ny fomba fitantanana”


  • Alakamisy 02 Jolay 2020

« Ekena sy tsapa ary ankasitrahina ny ezaka goavana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fitadiavana vahaolana hifehezana ny fiparitahan’ny tsimokaretina coronavirus », hoy ny birao nasionalin’ny VOIFIRAISANA/­PFNOSCM manoloana fiainam-pirenena.

 


 Na dia izany, maro ireo teboka notsindrin` ity firaisamonim-pirenen­a ity. Mitaky ny hamondronana ny hery rehetra hahafahana mamaritra fomba fiady matotra sy mahomby eken’ny rehetra ao anaty mangarahara ny firaisamonim-pirenen­a. Izay ihany no antoka isian’ny fahatokisana ny mpitondra avy amin’ny vahoaka ka hahato-teny ny mpitondra eo amin’ny lamina sy fandaminana rehetra apetraka iadiana amin’ny valan’aretina coronavirus. Manaraka izany, henatra sy baraka mipetraka ho tantara lovain’ny taranaka ary fanosihosena ny ràn’ireo zoky ray amandreny nahafoy ny ainy sy ny fananany ho an’ny Fahafahan’ny Malagasy aty aoriana raha amin’izao vanim-potoana fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena izao, dia mbola misy tomponandraikim-panj­akana sahy manosihosy ny vakoka mirakitra ny maha-malagasy ary koa manararaotra ny fahatsoran’ny vahoaka tsy mandadiharona ka mampiasa ny fahefana eo ampela-tànany sy ny harena iombonana ho an’ny tombontsoa manokana ka mamela ireto ray sy renim-pianakaviana, tanora sy ankizy tsy manan-tsiny, ao anaty fahabadoana sy fahantrana tsy mendrika ny maha-olona. Farany dia mila fiovana mahery vaika eo amin’ny toe-tsaina sy ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena avy amin’ny tomponandraikim-panj­akana isan-tsokajiny ny firenena raha tena tiana tokoa marina ny hamoaka ny Malagasy maro an’isa ao anatin’ity fahantrana tsy mendrika ny maha-olona ity satria ananantsika maro sy ampy ny harena ahafahana miala amin` izany, hoy hatrany ny fanambarana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT