Politique

Raharaham-pirenena Mikorontana ambony ambany


  • Zoma 30 Jolay 2021

Inoana fa manomboka eto dia tsy hisy ho sahy hilaza intsony na ny avy amin’ny hery mpanohitra ny fitondrana na ny avy amin’ny hery manohana azy fa mbola iray tsy mivaky na ny andaniny na ny ankilany.

 Samy hita miharihary izao fa samy misy vivakisany avy, fara fahakeliny miisa 2 avy. Ny avy atsy amin’ny hery fanoherana moa nolazaina teo aloha teo fa miombona ao anatin’ny antsoina hoe Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM ary vao nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Tiako I Madagasikara vao haingana izany saingy niaraha-nahita vao omaly ny fisian’ny atao hoe “Miara-manonja ofisialy” sy ny “Miara-manonja tarihin’ireo depiote miisa 2 dia I Fidel Razara Pierre sy Hanitra Razafimanantsoa”. Nisy nilaza azy ho tena RMDM na TRMDM koa moa talohan’izay saingy tsy dia naha rototra loatra ny mpanara-baovao fa ankehitriny kosa anefa taorian’ny fialan’ny filohan’ireo gadra politika na FEDEP, Henri Rakotomalala na Riribe tao amin’ny RMDM dia nanaraka koa ireo depiote miisa 2 voalaza teo. Etsy ankilany moa ry zareo samy ao an-dapa dia io hiaraha-mahita mifapikapa ranjo io ary ny mahagaga ao anatin’ilay raharaha dia hita ho saika ireo noheverina fa akaiky ny filoham-pirenena avokoa no toy ny ezahana aletika ao anatin’ny dosie momba ny fifofoana ny ainy. Misy firehana anaty fitondrana izay tena voaresaka ho manana ady mangatsiaka amin’ny filoham-pirenena koa anefa etsy ankilany no mahagaga fa toa tsy misy voakitika mihitsy tao anatin’ity raharaha ity mihitsy. Ho lany eto ny andro raha mbola hampahatsiahy ireo famakafakana hafa efa natao tany aloha momba ity raharaha ity fa ny azo amehezana azy aloha dia averina hatrany hoe tonga amin’ilay lohatenina sarimihetsika sy fomba fiteny iray izay hoe “guerre des étoiles” izy ity ary ny vokany anefa dia mikorontana ambony ambany ilay raharaham-pirenena fa zary hita ho tsy misy varany intsony kosa ny fitsinjovana ny fiainam-bahoaka tanisaina lava fa nametraka izao fitondrana izao eto amin’ity Madagasikara ity.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT