Tambin-karama tamin’ny fitandroana filaminana na « indemnité de sécurisation » tamin'ny 26 jona teo 10 000Ar isan’olona ho an’ny polisy miisa 500 no tsy nomena, raha ny vaovao azo.
Nampanaovina dika mitovin’ny kara-panondrom-pirenena avokoa ireo tokony hahazo azy io, kanefa nanjavona io volabe io fa tsy nozaraina. Maro ny zavatra mampametra-panontaniana ireo polisy toy ny hoe : fa maninona no kolonely miaramila sy jeneraly avy any amin’ny zandarimaria no atao mpikamban’ny kabinetra kanefa mba misy « contrôleur général » na « commissaire » maro eo anivon’ny Polisim-pirenena ? Tena maro ny mahatsapa fanosihosena sy fanaovana ankilabao ny polisy ataon’ny fanjakana Rajoelina. Raha resaka karama dia tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nisy fisondrotan-karama nafonja farany. Ankehitriny, mitovitovy amin'ny karamana “lieutenant” ao amin'ny foloalindahy ny karamana “controleur general” an’ny polisim-pirenena. Mifanahantsahana amin’ny karamana “sergent” ny karamana “officier de police”. Nisy fotoana nesorina tamin’izy ireo ny fanamboarana pasipaoro, nofoanana ny PR (Police Routière) satria nolazaina fa mpanotra sy mpanao kolikoly ny polisy. Lasa samy nanao izay tiany teto ary tsy fantatra intsony na efa nisy nampiditra fitaovam-piadiana teto na ahoana satria ny Polisim-pirenena no tena afaka manara-maso sy misava ireny na koa manao « intervention ». Tsy mba nisaorana ny polisy nandritra ilay tatitra 100 andro, fa ny miaramila sy ny zandarimaria ihany no toa fantatry ny filoha. Nandeha ny fampitaovana ho an’ny mpitandro filaminana. An-jatony ireo fiara notsinjaraina, fa ny 24 tamin’ireo ihany no nomena azy ireo ary mandeha lasantsy fa tsy tahaka ny an’ny miaramila sy ny zandary. Mandany be ihany koa satria raha feno solika niala tao “Toamasina” dia teo Moramanga dia efa nirehitra ny “témoin” fa lany ny solika, hoy ny fanamarihana. Ny solika ho an’ireny anefa dia baraingo amin’ny ankapobeny. Tena kisendrasendra ve ireny toe-javatra ireny sa efa fankahalana sy fanaovana ankilabao anay, hoy ireo polisy tafaresaka taminay ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.