Politique

Raharaham-pirenena Maro ireo zavatra tsy fantatry ny vahoaka


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Hita izao fa manao letrezana ny fitondrana hanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny desambra, hoy ny depiote Alain Ratsimbazafy

. Mazava ny an’ny antoko politika Tiako I Madagasikara izay misy ny tenanay, hoy izy, izay mahita fa tsy manaraka ny lalàna mifehy ny fifidianana izany. Efa maro ny fanazavanay sy ireo antoko mpanohitra mitovy hevitra aminay. Mametraka mazava ny andininy faha 81, 82, 83 ao amin’ny lalampanorenana fa tokony ho fenoina aloha ireo mpifidy vaventy. Ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana loholona nivoaka ny taona 2015 dia namaritra fa “exceptionnel” na hoe manokana ny fifidianana notanterahana tamin’iny 2015 iny fa ny fifidianana loholona aoriana rehetra dia tokony hanaja ny fahafenoan’ny mpifidy vaventy. Nitety faritra ny mpanohitra hifampiresahana amin’ny vahoaka mangetaheta vaovao. Adidinay mpanao politika ny milaza ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tany atsinanana izahay teo ary mbola hitsidika ireo faritra hafa. Ny tsara dia nifampihaino ny vahoaka sy izahay nidina tany ary maro ny zava-tsy fantatry ny vahoaka Malagasy. Nisy moa ny fanagiazana ireo haino aman-jery samihafa izay azo lazaina hoe vaovao tokana ihany no mety ho ren’ny vahoaka Malagasy ka gaga izy ireo rehefa nomena ireo fanampim-baovao samihafa makasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ary liana, hoy hatrany ity depiote avy nidina ifotony ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT