Politique

Raharaham-pirenena Hanambara ny heviny i Alain Ramaroson


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Anisan’ny olona andrasan’ny maro, indrindra taorian’ny zava-nisy sy nitranga teto amin’ny firenena Atoa Alain Ramaroson manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

 Hivoaka amin’ny fahanginana ny tenany ary hiteny amin’izay ka anisan’ny tena horesahiny ny fifofona ny ain’ny filoham-pirenena izay mbola miteraka resabe eto amin’ny tany sy ny firenena, ny resa-politika, ny sosialy ary ny toe-karena. Hanentana ny fandaharana mandritra izany ny mpanao gazety Herilala Andrianaivo sy caporal Bob. Ny fikambanana HAFARI Malagasy sy ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA, tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina no hikarakara izany ao anatin’ilay fandaharana fiaraha-mponina sy ny tontolony izay ho hitantsika ao amin’ny vata fahitalavitra Ma TV anio Alarobia hariva manomboka amin’ny 06 ora. Tanjon’ny fandaharana ny tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka Malagasy manoloana ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Toraka izany koa ny mba hahafahana mampahafantatra ny tsirairay ny hevitr’ireo lohandohan’ny mpisorona eto amintsika hahafahan’ny vahoaka mijery ny tena zava-misy marina. Andrasana araka izany izay fanehoan-kevitr’Atoa Alain Ramaroson mandritra ity fandaharana izay hivanihanany ao amin’ny vata fahitalavitra Ma TV anio Alarobia hariva ity.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT