Natomboka sahady ny dingana mikasika ny mety ho fifanarahana vaovao eo amin’i Madagasikara sy ny rafitry ny firenena mikambana na ny SNU amin’ny taona 2021 ka hatramin’ny 2023.
Nisy araka izany ny antontan-kevitra nandraketana izay mety ho endriky ny fanampian’ity rafitra ity ny governemanta Malagasy mandritr’izay fotoana izay. Ny resaka fanatanterahana ny tetikasa hanandratana an’i Madagasikara, ny vahaolana amin’ireo loza mety hitranga isan-karazany, ny fametrahana ny stratejia hiatrehana izany asa miandry rehetra izany no isan’ny teboka lehibe voarakitr’ity vinam-pifanarahana ity. Mba hahatomombana azy io dia misy ny fifanatrehana amin’ny alalan’ny fimaso lehibe na “visioconférence” eo amin’ny SNU sy ny minisiteran’ny toekarena sy ny tetibola. Araka izany dia efa mijery ny amin’ny herintaona sy ny manaraka izay rehetra ao anatin’izao fitondrana izao ny eo anivon’ny firenena mikambana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.