Raha nahatsiaro ny 7 febroary ireo olona izay nihevitra fa fahasahiana no niakarana teo Ambohitsorohitra dia nampiaka-peo hisarihana ny vahoaka fa tena andraikitra apetraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny zava-niseho tamin’ny 2009 ireny ka nosokafana ny ratram-po nilazana fa niharan’ny habibiana ny vahoaka. Aminay AMF/3FM, hoy Rév. Satrobory filohany dia hevi-diso no handikanay ny zavatra tiana hahatongavana amin’ny hanetsehana indray ny fifandonana eo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny TGV. Noporofoin’ny televiziona tsy miankina iray tamin’ny alin’ny 7 febroary 2014 teo fa ilay jeneraly nitarika ny vahoaka tamin’ny 07 febroary 2009 tonga teny Ambohitsorohitra mihitsy aza no niaiky fa nanitsaka faritra mena ry zareo ka ho fatifaty foana raha mbola mandroso nefa dia izay no niseho. Aminay, hoy i Satrobory dia efa nahatsapa ireo TGV nitarika vahoaka ireo fa diso, saingy nahagaga ny tsy nahatsapan’ireto vahoaka ireto fa na i Andry Rajoelina aza tsy sahy nankeny Ambohitsorohitra akory fa nanao fitaovana azy ireo fotsiny hahazoany fitondrana. Mbola angatahinay marindrano ny fitsarana iraisam-pirenena hamoaka ny tena marina mikasika iny raharaha iny, hoy Rév. Satrobory. Roritina ankehitriny ny fomba fanendrena praiminisitra izay katsahan’ny MAPAR fatratra mba hahazoana manarontsarona ireny zavatra tsy nety nataon’ny mpitondra FAT ireny nandritra izay dimy taona izay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.