Tonga teny amin’ny Fitsarana misahana ny kolikoly (PAC) 67Ha ny antoko Otrik’afo omaly 13 novambra, mba hametraka fitoriana momba ny fifidianana.
Nisy ilay fanambarana tamin’ny 18 febroary nataon’ny Filoha lefitry ny CENI tamin’ny resaka verin-droan’ny laharana karapanondro sy lisi-pifidianana. Efa nieritreritra ny tsy maintsy hitory amin’ny trangan-javatra toy ireny ny otrik’afo satria ny lalàna no manome zo amin’izany na nandray anjara na tsia, fa kosa ao anaty lisitry ny mpifidy, hoy I Elia Rabevahiny. Nisy fampanantenana nataon’ny CENI, fa fifidianana madio, mangarahara, hamoaka ny tena safidim-bahoaka marina,… kinanjo tsy izay no nitranga. Ny Minisiteran’ny Atitany, ohatra, dia afaka nampanao kaomandina karapanondro, hoy izy. Fitoriana olon-tsy fantatra “plainte contre X” no atao, fa kosa mandrisika ny Fitsarana dia ny PAC isan’ny heverinay fa tompon’andraikitra mahefa afaka mitsara.
TSY VOARAY
Tamin’ny ora nialanay teny an-toerana, tsy nisy tompon’andraikitra afaka nandray izy ireo. Manao ilay fitoriana ianao, dia ohatry ny misy karazana sakana. Izahay matoa mijoro dia vonona izahay amin’izay mety ho fanadihadiana sy ny mety ho fiantraikan’ny fitoriana ataonay eo, fa tsy tokony aodinkodina fotsiny hoe efa tsy azo raisina intsony na hoe rehefa miverina eo ianareo dia tsy voatery horaisina, hoy i Elia Rabevahiny. Fa maninona no asiana an’izany sa izany no azo hilazana sahady hoe tsy dia mahatoky ny rafitra tahaka itony? Hamporisika ny vahoaka Malagasy handray andraikitra aza ataonao rehefa misy kolikoly hita kanefa ny sahy mijoro indray no ohatry ny arirarira dia ho hitantsika eto, hoy hatrany i Elia Rabevahiny Mpitarika ny Antoko Otrik’afo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.