Politique

Raharaham-panjakana Tsy mandeha amin` izay laoniny


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Raha ny zava-nisy tato ho ato dia manaratsy endrika ny fitondrana. Ohatra, ny fanendrena tsikelikely ireo governoram-paritra, ireo kara-panondrom-pirenena mitovy laharana araka ny nambaran` ny CENI,

 

 

 

 ny fitsirihana ireo fitaovam-piadiana teo anivon` ny Antenimierandoholona… Inona no hifandraisan` ny tontolo politika ankehitriny amin` ny fanagiazana sy fanaovana lavantin` ireo entan`i Claudine Razaimamonjy sy Mbola Rajaonah, mpandraharaha akaikin` ny fitondrana teo aloha, izay samy any am-ponja? Tsy misy saingy raha ny feo mandeha, tsy manam-bola ny fitondram-panjakana hanatanterahana ny programany. Ireo mpandraharaha Malagasy sy vahiny nianteherana dia fantatra fa lasa nialokaloka any amin` ny firenen-kafa. Mety hiomana amin` ny fifidianana 2023 angamba ka mijery fotsiny izay zava-mitranga aloha. Nahoana ihany koa no niandry ela ny CENI vao nanao ireny fanambarana ireny? Nisy koa ny fitsirihana fitaovam-piadiana natao tamin` ireo andrimpanjakana toy ny Antenimierandoholona. Nahoana anefa no nametram-pialàna ny talen` ny fiarovana teo amin` ity andrimpanjakana ity? Ireo rehetra ireo dia nitranga taminà fotoana nifanakaiky. Fifandrifian-javatra ihany ve? Na eny na tsia ,  ny zava-misy dia toa milaza ny valiny ihany. Ny tsindry ara-ketra atao amin` ireo mpandraharaha voalaza etsy ambony dia toa manabaribary izay olana ara-bola sedrain` ny fanjakana. Fa vao mainka manasarotra ny raharaha, ireo fanakorontanana maro samihafa. Ny loza dia tsy mianga avy any ivelany ireo fanakorontanana ireo fa avy ao anatin’ny fitondram-panjakana ihany. Ireny fanambarana nataon` ny CENI ireny dia efa manambara fa tsy mari-toerana ny mpitondra eto. Ny fanoherana moa dia tsy niandry ela nitaky ny fanafoanana ireo fifidianana nanomboka ny taona 2018.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT