Niverina nalaza indray tato ho ato ny raharaha vola 2 baoritra nitranga ny alin’ny 8 jona 2015.
Raha tsiahivina dia iny alina iny, tokony tamin’ny 8 ora sasany, no voasakan’ny mpitandro filaminana avy amin’ny borigady misahana ny heloka bevava teo Namontana ny fiara nentin’ny depiote Lanto Rakotomanga. Tratra tao anatin’izany ny lelavola mitentina 200 tapitrisa ariary tanatina baoritra miisa 2, izay nampametra-panontaniana ny maro hoe ho atao inona? Nifanena tamin’ny fahatsiarovana ity daty ity ihany koa ny fanehoan-kevitr’ity depiote voalaza teo ity mikasika ny fahitany ny fitondrana ankehitriny niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera izay niteraka fanehoan-kevitra maro tokoa. Isan’ny fehezanteny nanaitra ny maro ny filazan’ity solombavambahoaka ity fa “aleo ho jamba sy harenina ireo milaza fa tsy voafehintsika ny fitantanana ny aretina satria iarahantsika mahita maneran-tany fa ao anatin’ireo firenena miisa 5 nahafehy izany aretina izany ny firenena Malagasy…”. Maimaim-poana avokoa, hoy ity depiote ity, ny fitsaboana ny Covid 19 manerana ny nosy. Toy izany koa ny fanampian-drivotra na “oxygène”. “2 taona sy tapany ny filoham-pirenena no teo fa mbola tsy nisondrotra ny lasantsy. Ny ariary eo misondrotra kely… maneran-tany ny fidinan’ny toekarena…”. Maro ireo tsikeran’ny mpanara-baovao nanoloana ity fanehoan-kevitra niparitaka ity toy ny hoe “efa tetikasa tamin-dRajao ireny tokanana ireny”, “ahoana ny momba ilay vola 2 baoritra?”, “volam-panjakana ihany no nolaniana nanafarana vakisiny sy ny mombamomba ny Covid ka nahoana moa no tsy ho tokony maimaimpoana?”. Fifandrifian-javatra ve sa tena iny fanehoan-kevitra iny no nahatonga azy fa dia niparitaka indray aloha ny horonantsary naneho ny tranga izay feno 6 taona omaly ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.