Politique

Raharaha Ukraine - Russie Mangina ny mpitondra sy ny politisianina


  • Talata 01 Martsa 2022

Samy mangina na ny mpitondra na ny mpanao politika malagasy manoloana ny ady any Ukraine. Mitandrina mafy satria tsy teo ho ratsy eo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia ny Rosanina

 izay manao ny fanafihana sy ny Tandrefana miaraka amin’I Etazonia ary ireo mpiara-dia aminy momba an’I Ukraine. Ankoatra io, efa nahoraka be fa nisy nahazo vola avy any Russie tamin’ny propagandin’ny fifidianana filoha farany teo, Russie hanampy amin’ny fahazoana ny nosy manodidina,… Voasokajy ho firenena iasan’ny sampam-pitsikolovana ara-tafika miaro ny tombotsoa ivelan’ny Rosianina na “Wagner” ihany koa anefa I Madagasikara. Atsy ankilany, taorian’ny Masoivohon’I Allemagne, nihaona tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Patrick Rajoelina ary nanao fanambarana miantso an’I Madagasikara hanameloka ampahibemaso an’i Russie tahaka ny nataon’ny firenena afrikanina sasany toa an’i Gabon, Kenya, Ghana,… ireo diplaomaty ireo ireo masoivoho Firenena Tandrefana sy ny mpiara-dia aminy miasa sy monina eto Madagasika omaly 28 febroary 2022. Nahitana ny solontenan’I Allemagne, France, Royaume-Uni, Norvège, Suisse, Korea, Japon, miaraka amin’I Etazonia sy ny Vondrona Eoropeanina. Notsipihina fa loza mandindona ny Vondrona iraisam-pirenena manontolo, hiantraika amin’ny firenena maneran-tany ny fanafihana sy herisetran’ny Rosianina. Tsikaritra ny tsindrin’ny tandrefana. Amin’ny lafiny jeopolitika sy toekarena, miankinan-doha amin’ny tandrefana sy ny mpiara-dia aminy, ny vola hampiodinana ny firenena sy Fanjakana eto aza, saika mbola hangatahina sy trosaina aminy ny 80%. Miankin-doha amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) eo ambany fitarihan’ireo. Sarotra ihany koa anefa ny handeha hanameloka mivantana ny Rosianina satria ilaintsika ihany koa ny miara-miasa aminy. Tsy i Russie irery ihany koa no resaka eto, fa maro ireo firenena mety mpiara-miombon’antoka amintsika ao an-damosiny, raha tsy hilaza afatsy i Chine, izay tsy nandray anjara tamin’io ny masoivohony.Tsara ny misafidy ny tsy hiandany na « Pays non-aligné », fa ny manomana ny mety ho fiantraikan’ny ady aty amintsika no mety kokoa. Izay ve no hiseho sa zavatra hafa ?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT